Fiainan’antoko – Ny lalana nizoran’ny antoko TIM nandritra ny 19 taona

Ny Valosoa

Feno 19 taona tamin’ny Sabotsy 03 Jolay 2021 ny Antoko Tiako i Madagasikara (TIM), satria ny 03 Jolay 2002 no nijoro ara-panjakana ity antoko ity.

Rehefa nirotsaka ho fidiana Ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra ny Filoha Marc Ravalomanana tamin’ny faramparan’ny taona 1999 dia nanangana ny Fikambanana Tiako Iarivo, voafidy ara-dalàna izy ary nahazo ny maro an’isa tao amin’ny Filankevitry ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra ny Tiako Iarivo.

Nony nilatsaka ho Filohan’ny Repoblika ny Filoha Marc Ravalomanana tamin’ny taona 2001, dia novaina ho Tiako i Madagasikara ny fikambanana Tiako Iarivo, ka ny 03 Jolay 2002 no nahazo ny fankatoavana ara-panjakana, efa Filohan’ny Repoblika ny Filoha Ravalomanana tamin’izany dia tsy afaka nanao filohan’antoko intsony, araka ny voalaza ao amin’ny lalampanorenana. Filoha mpiara-mitantana roalahy no nitondra dia Andriamatoa isany Rajemison Rakotomaharo sy Raharinaivo Andrianantoandro, taty aoriana dia Razoarimihaja Solofonantenaina no voafidy ho filoha ary nodimbiasan’i Yvan Randriasandratriniony.

Tamin’ny fotoanan’ny tetezamita tsy nahateto an-toerana ny Filoha Ravalomanana dia nifandroritana ny anarana Tiako i Madagasikara, ny andaniny ireo nijanona niaraka tamin’ny vahoaka nitolona teny amin’i Magro nahitana an-dry Mamy Rakotoarivelo, Roland Ravatomanga, Hanitra Razafimanantsoa , Zafilahy Stanislas, sns… ary ny ankilany ireo nikisaka nanatona an-dRajoelina toa an’i Raharinaivo Andrianantoandro, Yves Aimé Rakotoarison, Hery Raharisaina, Vy Vato Rakotovao, sns… Taty aoriana dia ireo niaraka nitolona tamin’ny vahoaka no nahazo ny rariny, satria tsy nivadika tamin’ny filoha mpanorina ny antoko dia ny Filoha Ravalomanana izany. Razoarimihaja Solofonantenaina efa filoha no filoha ara-panjakana satria ny filoha farany Randriasandratriniony dia efa tsy teto an-toerana intsony. Tsy nisy ny fankalazana ny fahafolo taonan’ny antoko tamin’ny taona 2012 satria mbola tsy teto an-toerana ny Filoha mpanorina, nisy koa tetsy andaniny ny antoko Zanak’i Dada izay niara-dalana teny ary samy nampiasaina ny anarana Tiako i Madagasikara sy ny Zanak’i Dada tamin’ny fifidianana solombavambahoaka tamin’ny taona 2013, satria samy nahazo ny tsodranon’ny Filoha Ravalomanana, fa ny anarana Tiako i Madagasikara no anarana nentin’ny Vondrona Parlemantera niara-dia tamin’ny Filoha Ravalomanana.

Ny volana Oktobra 2014 dia tafaverina an-tanindrazana ny Filoha Ravalomanana, nifoha tamin’ny torimasony ary nivoaka tamin’ny fahanginany ireo mpikambana maro voatery nipirimpirina noho ny tahotra sy ny fanahiana.

Ny anaran’ny Antoko Tiako i Madagasikara no nirotsahan’i Neny Lalao Ravalomanana ho Ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra , voafidy soa amantsara sady nahazo maro an’isa tao amin’ny filankevitry ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra ny antoko. Ny taona 2016 nandritra ny Kongresin’ny antoko dia ny Filoha Ravalomanana no nangatahan’ny mpivory rehetra ho filoha nitarika ny antoko, dia izy no Filoha hatramin’izao.

Maro ireo Sekretera Jeneraly nifandimby tao amin’ny Antoko Tiako i Madagasikara, nahitana an’i Jacques Sylla, nandritra ny fitondrana tetezamita dia i Mamy Rakotoarivelo, nony tonga ny Filoha Ravalomanana dia Olivier Donnat Andriamahefamparany no Sekretera Jeneraly, nisolo azy taty aoriana i Olga Ramalason ary ankehitriny dia Rina Randriamasinoro no Sekretera Jeneraly amperinasa.

Ny Volana Jolay 2017 dia nisy ny fankalazana ny faha-15 taonan’ny Antoko Tiako i Madagasikara, tao amin’ny Carlton no natao ny lanonana ofisialy, nisy ny fikasana hanao hetsika goavana tao amin’ny Kianjaben’Imahamasina, saingy tsy tontosa satria nosakanan’ny fitondrana Rajaonarimampianina ny fankalazana.

Tamin’ny fifidianana filohampirenena 2018 dia tamin’ny anaran’ny Antoko Tiako i Madagasikara no nirotsahan’ny Filoha Ravalomanana, niaraha nahalala ny hosoka sy hala-bato araka ny nambaran’i Thierry Rakotonarivo, ary tamin’ny fifidianana solombavambahoaka farany teo dia ny Antoko Tiako i Madagasikara no antoko manana solombavambahoaka be indrindra. Tamin’ny fifidianana Ben’ny Tanàna sy mpanolotsainan’ny Tanàna dia niaraha-nahita ny fandikan-dalàna niseho satria tokony ho ny lisi-pifidianana nampiasaina tamin’ny fifidianana depiote no nampiasaina tamin’ny fifidianana ben’ny Tanàna, saingy tsy voahaja izany.

Amin’ny taona 2022 dia ho feno 20 taona ny Antoko Tiako i Madagasikara, antoko matotra ny dikan’izany ary vonona hatrany handray sy haka fahefana amin’ny fotoana maha-mety azy. Ny tsy fahombiazan’ny mpitondra nangala-bato dia vao mainka mahatonga saina ireo vahoaka ka maro ireo nitodi-doha hanatevin-daharana indray ny antoko ary maro ihany koa ireo mpikambana vaovao resy lahatra rehefa nandinika ny raharahampirenena, fa ity antoko tarihan’ny Filoha Ravalomanana ity ihany no vahaolana ho an’ny firenena Malagasy.