Antenimierandoholona – Mbola voarara ny famokarana sy famarotana toaka gasy

Niaina

Mbola voarara hatrany ny famokarana sy famarotana toaka gasy eto amintsika, tsy nolanian’ireo loholon’i Madagasikara omaly tetsy Anosikely, ilay tolo-dalàna laharana faha 03-2019 /PL tamin’ny 16 jona 2020 « relative à la production et à la commercialisation du Toaka Gasy, présentée par le Député RAZAFINTSIANDRAOFA Jean Brunelle, VP de l’Assemblée Nationale », na “tolo-dalàna momba ny famokarana sy fivarotana toaka gasy natolotry ny depiote Razafitsiandraofa Brunelle, filoha lefitry ny Antenimierampirenena”.  Nahazo fankatoavana teny anivon’ny Antenimierampirenena anefa ity tolo-dalàna ity. Noho izany dia mbola hiverina eny amin’ireo depioten’i Madagasikara indray izany tolo-dalàna izany ho dinihan’izy ireo.

Naneho ny heviny mahakasika an’izay ny depioten’Ikongo Razafitsiandraofa Brunelle: “mirazotra hatrany eo amin’ny fiarahamonina Malagasy ny toaka gasy, na an-kasoavana na an-karatsiana. Samy tompon’andraikitra avokoa amin’ny fanapahan-kevitra raisiny, na ireo olom-boafidy eny amin’ny Antenimierampirenena na ireo olom-boatendry eny amin’ny Antenimierandoholona. Hetahetan’ny mponina eny ifotony no nentiko namolavola ny tolo-dàlana, kanefa izao tsy nahazo fankatoavana izao”, hoy izy.