Fankalazana ny fetim-pirenena – Kerimesy- Arendrina, ao amin’ny Magro Behoririka ny 25 jona

Isambilo

Ho fankalazana ny Asaramanitry ny fetim-pirenena 26 jona ny sabotsy izao, hisy ny Kerimesy-Arendrina ao amin’ny Magro Behoririka ny zoma 25 jona izao tontolon’ny andro.

Araka ny nambaran’ny mpikarakara:” ny Zoma 25 Jona 2021 etsy amin’ny MAGRO behoririka, no hiaraka hifety isika, hankalaza ny Asaramanitra, miaraka amin’ireo ankizy sy tanora maro be. Hanomboka amin’ny 9 ora sy sasany maraina ny fotoana, ary hifarana amin’ny fanaovana arendrina miaraka.

Maro ny zavatra ho hita ao: kilalao amin’ny endriny maro samy hafa, izay karakarain’ireo tanora avy amin’ny Boriboritany tsirairay, sy ny distrika manodidina. Misy ny animation iombonana, hisy Zumba, ho hita eny koa ny fampirantiana sary hataon’ireo tanora. Hisy sakafo amidy eny an-toerana. Hisy ny fifaninanana Miss et Mister.

Ho faranana amin’ny fanaovana arendrina, arendrina vita Malagasy, izay hovidiana eny an-toerana ihany izany.