Rocade Est, ny marina marina foana Ravalo niketrika, Rajao nanomboka

Isambilo

Voalaza fa hotokanana anio ny lalana migodana Rocade Est mampitohy ny lalampirenena faha-2 (RN2) sy ny lalana amin’ny Marais Masay.

Tamin’ny fitondran’ny filoha Marc Ravalomanana no niketrehan’ny hampitohizana ny lalana eny amin’ny Masay mipaka amin’ny RN2 io. Nanomboka niresahana izany tamin’ny fandalovan’ny ministra delege Frantsay misahana ny fiaraha-miasa, ny fampandrosoana ary ny Frankôfônia Ramatoa Brigitte Girardin teto amintsika tamin’ny taona 2006, ny marimarina kokoa tamin’ny volana mey 2006. Nitohy ny fifampidinihana tamin’ny taona 2008 mbola fitondran’ny filoha Ravalomanana ary nokasaina hatomboka tamin’ny fiandohan’ny taona 2009 ny asa, nefa noho ny fanonganam-panjakana notarihan’i Andry Rajoelina tamin’izany fotoana izany dia nihantona ny fanamboarana io lalana Rocade Est io.  Nihantona ny resaka rehetra mahakasika azy ity nandritra ny fitondrana tetezamita satria mpanongam-panjakana no nitondra teto, tsy nisy ny famatsiam-bola, nikatona ny « robinet » rehetra tamin’ny ankapobeny.

Ny filoha Hery Rajaonarimampianina no nisantatra nanomboka ny asa tamin’ny 16 jolay 2018 ary efa nandeha izany asa izany. Noho ny hosoka tamin’ny fifidianana noho ny resaka doublons anefa, tafakatra teo amin’ny fitondrana ny filoha Rajoelina, nanohy ny asan’ny teo aloha fotsiny ny fitondrana amin’izao fotoana, ao anatin’ny fitohizam-pahefana, fa tsy misy tena idiran’i Andry Rajoelina mihitsy arak’izany ny fahazoana ny fanaovana io Rocade Est, nefa izy ireo amin’izao fotoana no misandoka ho tompon-kevitra, ka nanova ny anaran’izany lalana migodana izany ho Rocade d’Iarivo.

Izy tokoa aloha hatreto no mitondra, ka izay tiany atao eo, na tsy izy aza no tena niketrika fa Dada sy Rajao. Ny marina marina foana hoy ny Filoha Marc Ravalomanana izay !