RMDM Melaky – Mandiso ny filazan-dRajoelina fa tsy misy sehona corona any Melaky

Stefa

Manoloana ny fanambaran’ ny filoha Andry Rajoelina, fa tsy misy trangana valanaretina coronavirus any amin’ny faritra Melaky, mandiso izany ny vondron’ny mpanohitra RMDM Melaky.

Araka ny fanambarana nataony: “valinteny ho an’i Datoa Rajoely momba ny vokatry ny loza corona eto Melaky androany alahady 02 mey amin’ny 20h22 izao. 02 maty ny zoma 30 avril teo, 01 évacué any Antananarivo androany alahady. Tsy misy ny teste aty Melaky, ka iza no hatao teste eo?

Traitement symptomatique no atao aty. Samy mitsabo any an-tranony, fa na fanafody aza tsy complet na tsy ampy. ka iza no nanome vaovao anao ry datoa Prezidà Rajoelina? sa novainao ve ny marina? mamono anay aty ny resaka renay ataonao directa Prezidà nefa zahay aty miaina andriranantsy. Aza avilivily ny resaka fa mankaleo. Avelao hiditra hianatra iaby ny mpianatra rehefa samy afaka mifamorivory e! Confinement sadasada no ataonareo.

Tsy misy vokany fa fasana ihany no vahaolanareo. Rehefa inona no mahazo cas impérieux ny avy any an-dafy dia maninona no tsy mahazo mandeha ny eto an-toerana? Ny renin’i Ratompokolahy médecin commandant maty tany Diégo dia maty tao Manakara, satria tsy navela hamonjy io fatin-janany io tany Diégo”…

Tena tsy rariny mihitsy ny ataon’ity fitondrana Rajoelina ity, hoy ihany ny RMDM Melaky.