Barea an’i Madagasikara – Misaotra Dupuis, miarahaba Eric R. – Sehatry ny baolina kitra malagasy – Tsy hisandratra mihitsy raha mbola ampidirana resaka politika

Radafy

Eric Rabesandratana no ho mpanazatra vaovaon’ny Barea an’i Madagasikara, hiatrika ny fifanintsanana amin’ny Mondial 2022, araka ny fanapahan-kevitry ny FMF , tamin’ny alalan’ny filohany Arizaka Rabekoto Raoul. Ny ankamaron’ny mpitia baolina kitra dia mankasitraka izay fanendrena izay ary misaotra ny coach Dupuis, noho ny zava-bitany tamin’ny Can 2019 tany Egypta. Nisy ny lesoka tamin’ny fiakarana amin’ny Can andiany manaraka, ka tonga tamin’izao fanalana azy izao, satria mila vokatra ny mpitia baolina kitra Malagasy. Na izany na tsy izany, ankasitrahana ny zava-bitan’ny mpanazatra Dupuis.

Ankoatra izany, efa fantatra tsara, fa tsy hisy fivoarana velively ary tsy hisandratra avo mihitsy ity sehatry ny baolina kitra malagasy ity raha mbola ampidirana resaka politika. Manapotika mihitsy ity sehatra ity izany raha ny tantara sy traikefa hita hatramin’izay. Mbola misy ihany anefa ny toe-tsaina tsy miahotra manao izany amin’izao fotoana izao. Tsikaritra mazava tsara izany tamin’ny adihevitra be tato ho ato momba ny fanalàna ny mpanazatra frantsay Nicolas Dupuis, indrindra tao amin’ny fahitalavitra tsy miankina iray tamin’ny faran’ny herinandro iny.

Nanelingelina ny sain’ny maro mpitia baolina kitra ny nambara tao anaty adihevitra. Teo ny fahenoina fa mpanao politika no mitantana ny ligim-paritra iray, izay mazava loatra fa tsy maintsy misy eritreritra politikan’ny antokony hatrany ao ambadika ny fitantanany na tiana na tsy tiana. Tsy maintsy misy akony amin’ireo tanora ao anatin’ny liginy na ivelany izany, ary tsy mampandroso ny baolina kitra velively. Iaraha-mahita tsara izany any amin’ny misy azy. Vao mainka koa nambarany rahateo ny fampidirana ny filohan’ny Repoblika ao anatin’ilay adihevitra sy ny fanakianany ny federasiona.

Tsy mahafantatra sy tsy manana ifandraisana amin’ny filoha na ireo mpiara-miasa ao anaty federasiona akory isika eto. Fa tsy eken’ny saina velively dia ny amin’ny resaka filohan’ny Repoblika. N’inona n’inona ambara sy fanazavana iarovan-tena, dia izany filohan’ny Repoblika izany raha vao mandingana ny tokonam-baravaran’ny sehatr’io baolina kitra io izy, dia misy politika hatrany ao ambadik’izay. Fanaony rahateo mihitsy aza izany n’aiza n’aiza alehany hatramin’izay, fa tsy mandehandeha ho azy velively io. Ilay mpiady hevitra mpiara-dia aminy anefa dia tsy niahotra mihitsy tamin’ny fandresen-dahatra ny solontenan’ny federasiona ny tsy tokony handinganana azy amin’ny fanapahan-kevitra tokony horaisina toy izao.

Tena hanao fahadisoana ny federasiona raha mihaino izany. Hampihemotra ny fitiavan’ny Malagasy ny baolina kitra mihitsy aza izany, raha ikirizana tanterahina eto amin’ity firenena ity. Ny baolina kitra Malagasy tsy mila mpanao politika, raha tiana ny hisandratany dia mila mihataka ireo na mandevina ny loko politika tsy hielohelo eo amin’ity sehatra ity, io no anisan’ny olan’ny Dupuis, nijabaka nanao politika, nefa ny nitondra ny Barea no tokony ho andraikiny.