Tompon’andraikitra ao amin’ny Prezidansa – Nanao izay amoahana vola tsy ara-dalàna tao amin’ny orinasa SMMC

Niaina

Manomboka mivoaka ny dosie mahakasika ny ataon’ireo olona miseho azy, ho henjana manodidina ny filohan’ny Repoblika amin’izao fotoana. Ity nivoaka tamin’ny faran’ny herinandro ity izao dia mikasika ny fanaovana sy fampiasana hosoka nataona ramatoa iray, tompon’andraikitra eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika, izay nentina namoahana vola be teo anivon’ny orinasa SMMC voalaza, fa hananganana “logement social” sy hanaovana ny tamboho mifefy ilay toerana ary hanaovana ny fikarakarana sy fanotofana tany ao Betainomby Toamasina.

Efa tafavoaka daholo ny 80% ny vola tamin’ireo tetikasa ireo, kanefa raha ny fantatra dia tsy mbola vita ny asa, ary ZONE INDUSTRIELLE ilay toerana ary ny SMMC no tompony, nefa dia nahazahoana PERMIS DE CONSTRUCTION. Fantatra fa mitentina 1 145 914 278,72 Ariary ny vola efa tafavoaka raha toa ka 1 394 967 848,40 Ariary ireo tetikasa manontolo. Orinasa iray ihany no voalaza fa nahazo ny tsenam-baro-panjakana tamin’ireo tetikasa telo ireo, izay fantatra fa olona misy ifandraisany ara- pitiavana amin’ilay tompon’andraikitra eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika.

Araka ny vaovao voaray sy voamarina dia tsy nisy tolo-barotra natao tamin’ny nitadiavana ny orinasa nomena ireto tetikasa teo anivon’ny SMMC ireto, fa dia hosoka sy fampiasana hosoka no nataon’ireo mpiray tsikombakomba tamin’izany. Orinasa roa izay tena misy no natao sarintsariny ho nifaninanana tamin’ilay orinasa nomena ny tsena, saingy rehefa nisy ny fanadihadiana dia hosoka ny Sonia nampiasaina tamin’izany, satria ny tompon’ireo orinasa ireo dia nanamafy, fa tsy nandray anjara tamin’ny fifaninanana hahazo tsenam-baro-panjakana eo anivon’ny SMMC izany mihitsy. Eo ihany koa ny kitranoantrano natao tamin’io orinasa izay nomena ny tsena io, izay voalaza fa misy ifandraisany akaiky amin’ny tale jeneralin’ny SMMC ihany koa ny tompony.

Araka ny voalazan’ny andalana faha 72 ao amin’ny andinin-dalàna mikasika ny tsenam- baro-panjakana, dia 20% ihany ny « avances » azo omena ireo mpandraharaha nahazo ilay tsenam-baro-panjakana. Tao anatin’ity raharaha ity anefa dia efa mihoatra izany no nalain-dry zareo, izay tanisaina toy izao manaraka izao : 40% no «avances» nalain-dry zareo amin’ny marché mitentina 84 210 561 Ariary, izany hoe ny 33 684 224,64 Ariary, mikasika ilay trano antsoina hoe “maison témoin” contrat nosoniavina ny 21 Février 2019 – 50% no « avances » nomena an-dry zareo amin’ny marché mitentina 304 723 898,64 Ariary, izany hoe ny 152 057 331,79 Ariary, mikasika ilay fanamboarana ireo tamboho, fifanarahana nosoniavina ny 11 Novembre 2019.

Rehefa izany dia nampanantsoin’ny teo anivon’ny IGE ilay lehilahy fanta-daza, tompon’ilay orinasa, saingy tsy nipoitra ny tenany fa ilay ramatoa izay voalaza fa olon- tiany, tompon’andraikitra eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika no tonga namaly ny antso sy nitondra fanazavana tany tamin’ny 11 febroary 2021 lasa teo, ary nilaza sy nanamafy fa azy io orinasa io, fa tsy an’ilay lehilahy. Nampanantena ny hitondra ny antontan-taratasy sy ny antontan-kevitra rehetra manodidina ity raharaha ity moa io ramatoa eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika io saingy hatramin’izao tsy nipoitra. Tsy efa miomana handeha hanao sesitany ny tenany izy izay?

Azo antoka fa horaisin’ny eny anivon’ny Bianco sy ny PAC tsy ho ela ity raharaha ity, ary na Andriamatoa Filoha aza, inoana fa tsy hipetra-potsiny manoloana izao fanodinkodinam-bolam-panjakana sy afera maizina manimba endrika ny fitondrana izao.