EDITO 20 Aprily – Fitondrana Rajoelina – Tsy manana vina lavitra mahomby ho fiatrehana ny valanaretina

Sôh’son

Tsy hita izay jery lavitra ataon’izao fitondrana izao manoloana ny fiatrehana izao fihanaky ny valanaretina covid-19 andiany faharoa, izay mahery vaika sy zary mampivarahontsana ny maro izao. Miha-mitombo ny tranga vaovao, izany hoe, ireo olona voan’ny aretina eto amin’ny firenena ary mitarika amin’izany ny faritra Analamanga. Torak’izany koa ny isan’ny maty, ary mihazakazaka ny tarehimarika tsy toy ny tamin’ny taon-dasa tamin’ny volana toy izao. Raha atao kisarisary, dia indroa miantoana izao ny valanaretina mitranga, ary azo lazaina ho an-kamely havia havanana izany raha resaka ady totohondry. Mbola tsy tonga amin’ny « pic » anefa isika raha ny nolazain’ny filohan’ny Repoblika, izany hoe mbola ho avy izany ny isa ambony dia ambony, izay irariana tsy hampitanondrika ny firenena.

Tsy manambara lalan-kivoahana mazava, sy hahomby ny fitondrana hatramin’izao ialàna ny totohondry an-kisesy mamely hanapotika ny firenena. Aorian’ny “pic”, inona no hotanterahina haingana, eny fa na dia ao anatin’izao krizy mafy izao aza? Ary aorian’izay aiza no lalan-kizoran’ny firenena? Tsy mahavita maneho sy milaza izany ny fitondrana izay miseho babany noho ny hafa ity. Ka inona izany no mampiavaka azy ho mahay?

“Gouverner c’est prévoir”, toa tsy eo am-pelatanan’ity fitondrana ity mihitsy izany raha ny zavatra hita hatramin’izay nitondrany efa ho roa taona mahery izay. Tsy afaka hilaza velively ny ho zavatra ataony, sy ho vitany hahasoa ny vahoaka sy ny firenena izao fitondrana izao, mandrapahatapitry ny fe-potoam-piasany. Mampieritreritra, nefa miseho mahay ary manaratsy ny hafa ho “dondrona”. Ny olana ihany koa dia tsy hisy hatoky intsony azy, satria efa be loatra izay fampanantenana izay kanefa iaraha-mahita ny zava-misy amin’izao fotoana izao. Ohatra iray lehibe amin’izany, nokianina mafy ny fitondrana Rajaonarimampianina, fa nanome toky ny amin’ny hoe ao anaty telovolana dia ho foana ny delestazy. Izao fitondrana Rajoelina izao, niseho hahavita mihoatra noho izy, kanefa roa taona sy telovolana izao, mbola misy ihany ny delestazy, izay miverimberina matetika, ary voalaza aza fa namono olona mihitsy noho ny fahasemporan’ireo marary satria tapaka ny jiro dia tsy nandeha koa ny fitaovana mpamokatra entona oksizena. F’angaha nisy izany tranga ratsy izany tany aloha?

Sarotra inoana ny hahatrarana ny taham-pitomboana ara-toekarena nofaritana hotratrarina amin’ity taona ity, manolaona ny efa hita tamin’ny taona 2019, sy ny zava-misy ankehitriny. Ny drafitra nambara hiarenana ara-toekarena toa hevitr’olona tsy mipàka amin’ny tany ny tongony tany am-pamolavolana sy am-pitenenana azy. Maizin-kitroka ny ho avy ho an’ny vahoaka Malagasy, ary mampanahy lalina. Tsy misy sahy afaka hiteny hatreto n’iza n’iza, raha izao fomba fiasan’ny fitondrana izao no tsy ovainy, ny amin’ny hahatafavoahan’ny firenena ao anatin’izao fahantrana lalina misy azy izao. Aoka tsy hanonofy sy tsy hampanofinofisina ny vahoaka.