Fihibohana sabotsy sy alahady – Fanakanana ny fiangonana tsy hisokatra no tena dikany

Andry Tsiavalona

Mampiteny ny moana mihitsy izao fitondrana izao manoloana ny fanapahankevitra raisiny. Niandry vahaolana tena matotra sy mitsinjo ny fiainam-baoaka avy amin’ny kabarin’ny filohan’ny Repoblika ny vahoaka Malagasy ny alahady lasa teo. Nanaitra ny maro anefa fa nivoana tanteraka tamin’izany no henony nambaran’ny filoha.

Voalohany amin’izany ny fanorenana “fasan’ny fiombonam-po” ho an’izay nindaosin’ny fahafatesana noho ny aretina covid-19. Karazan’irony fasana antsoina “fosse commune” irony izany, izay tsy mifanaraka amin’ny kolontsaina sy soatoavina malagasy velively satria tsy eken’ny sainy izany havany tsy hiditra fasan-drazana izany ary mbola azony ekena ny fasana anirotra. Anisan’ny nandiso fanantenana ihany koa ny fangatahan’andro amin’ny fanafarana ny vaksiny kanefa ny firenena maro any ivelany mihazakazaka amin’izany. Etsy an-kilany koa dia mbola anaovana “essai clinique” indray ny Ed1 izay efa ifanotofan’ny vahoaka ny fanjifana azy. Tsy azo lavina fa mety misy fiantraikany ratsy (effet secondaire) ho an’ny marary sasany ity fanafody ity, kanefa tsy vitsy ny efa sitrana tamin’ny fampiasana azy. Na eo aza izany dia mbola mitohy ihany ny dokam-barotra ataon’ny filohan’ny Repoblika Rajoelina momba ny CVO sy CVO+. Raha tena hifarimbona amin’ny nahita ity fanafody ity ny fitondrana dia tsy miresaka ny efa nampiasaina herintaona lasa izay niteraka fahafaham-baraka tsy ho an’ny mpitondra ihany fa ho an’i Madagasikara ihany koa. Tsy mbola nisy nahavita izany tokoa ireo filoham-pirenena nifandimby tao anatin’ny enimpolo taona.

Anisan’ireo faritra mihidy tanteraka ny Faritra Analamanga satria eto no misy tratry ny aretina maro indrindra. Tsy tokony hadinoina koa anefa fa ny eto an-drenivohitra no loharano voalohany amin’ny fidiram-bola ho an’ny fitondrana, ka raha vao ny eto no ampiharana ny hamehana ara-pahasalamana dia hiteraka fatiantoka ho an’ny fitondrana, izay tsapa fa difotra tanteraky ny tsy fananam-bola. Porofon’izany ny tsy fahafahana mandoa ireo karama na tambin-karama na vatsim-pianarana ho an’ny mpitsabo mpanampy, ny mpitsirika asa (inspecteurs et contrôleurs de travail), ny mpianatra eny amin’ny ambaratonga ambony. Tsy mbola mahazo mianatra ny mpianatra amin’ny ambaratonga rehetra, na any amin’ny sekoly tsy miankina na miankina, kanefa dia tsy misy fepetra manamaivana (mesures d’accompanement) mifanaraka amin’izany.

Ny tena zava-doza dia fandraisana hamehana ara-pahasalamana mandritra ny andro roa amin’ny faran’ny herinandro: sabotsy sy alahady, toa milaza fa amin’ireo andro ireo no tena mirongatra ny valanaretina, fa misitrika izy ao anatin’ny andro dimy: alatsinainy ka hatramin’ny zoma. Tsy afaka miasa ny fitateram-bahoaka, tsy misy mpivarotra mahazo misokatra ny faran’ny herinandro ary na Trano fivavahana aza dia mikatona avokoa. Tsy vitsy ny kristiana no mivavaka any an-tranony kanefa kosa any am-piangonana no manovo aim-panahy hoentiny miatrika ny herinandro vaovao ny rehetra, ary hoy ny Soratra Masina hoe: “Aza manadino ny fiarahantsika mivavaka tahaka ny sasany.” Efa ampy ny famerana ny mpivavaka ho zato na dia efa miteraka fimenomenonana aza izany. Kristiana avokoa ireo lehiben’ny andrimpanjakana misy ary misy loholona any amin’ny fiangonana misy azy mihitsy aza, ka mahagaga ny faneken’izy ireo izany fandrarana ny fiangonana tsy hisokatra izany. Na dia mba mitsodrano ny vahoaka Malagasy ho tahian’Andriamanitra aza ny filohan’ny Repoblika dia heverina fa fihatsaram-belatsihy ihany izany, satria manome herim-panahy ho an’ny Kristiana ny fahazoany manatona ny Latabatra Masina, sy ny fandraisany ny tsodrano avy amin’ireo Raiamandreny ara-panahy any am-piangonana.

Ny ao amin’ny fitondrana ao angamba no efa zatra miala sasatra, ka tsy mivavaka rehefa alahady, ka heveriny ho zava-maivana sy tsy misy lanjany ny fandehanana any amin’ny Tempolin’Andriamanitra. Ny tsy fahazoan’ny fitateram-bahoaka miasa ihany koa dia efa sakana ho an’ireo Kristiana te-hamonjy trano fiangonana. Efa azo heverina fa na dia avela hiasa aza ny fiara karetsaka dia tsy hisy mpanjifa, satria ny rehetra dia tsy hisy hivoaka ny tranony ny faran’ny herinandro, indrindra ny alahady. Sady efa marefo ara-batana noho ny tsy fisian’ny vola hividianana sakafo sy fanafody no ho reraka ara-panahy ihany koa noho izao hamehana ara-pahasalamana “manara-penitra” izao.