Fernand Cello – Mafy ny tsindry mahazo ireo mpitsara

Niaina

Mbola mafy ny tsindry mahazo ny mpitsara mpiasan’ny fitsarana, nivoitra izany tamin’ny resaka nifanaovan’ny mpanao gazety Fernand Cello tamina mpitsara iray am-perinasa eto amintsika. Toy izo ny resaka nifanaovan’izy ireo nandritra izany:

Fernand Cello (FC): Efa mba afaka ve ilay tsindry sy baiko midina amin’izao fotoana ho an’ny mpitsara sy ny mpiasan’ny fitsarana?

Namana Mpitsara (NM): Tena hatramin’izao io a! Taloha ny Minisitra ihany no miantso anay , fa ankehitriny smy miantso daholo, izay manam-pahefana ao ambony ao!

FC: Izany ve ny zava-misy eto an-tanindrazana?

NM: Na izahay aza kivy, satria tena tsy manana indépendence, na tsy manana fahaleovantena amin’ny asanay intsony izahay.

FC: Inona no vokatr’izay eo amin’ny raharaham-pitsarana eto amintsika?

NM: noho ireo antony ireo: na dia manana ny rariny aza ny olona sasany, dia lasa manahy sy miahiahy ny hiatrika raharaham-pitsarana, eny fa na dia manana ny marina, ny rariny sy ny porofo aza, satria tena tsy misy izany ilay fahaleovantenan’ny fitsarana. Manindry ny- mpitsara avokoa izao bodo sy adala rehetra izao. Asa mandrapahoviana izany? Fa na izahay koa aza tena efa leo ity tsindry atao ity!