Vehivavy TIM – Nanome 2 hetsy Ar avy ho an’ireo gadra politika miisa 12

Helisoa

Tsy mipetra-potsiny manoloana ny fanagadràna ireo gadra politika miisa 12 nofonjaina tsy ara-drariny, ny vehivavy Tiako i Madagasikara (TIM), fa miray fo tanteraka amin’izy ireo sy ny fianakaviany.

Manoloana izany dia mitady ny fomba rehetra ireo renim-pianakaviana ireo mitady ny fomba ahaoana vola hanampiana azy ireo, mba hanamaivanana ny fahasahiranana eo aminy, indrindra manoloana ny valanaretina izay mirongatra amin’izao fotoana izao, sy noho ny fetin’ny Paska ny faran’ny herinandro teo.

Nisy araka izany ny fanaovana opération Madeleine mba hitadiavana vola, ka vola mitentina 4700000 fmg na 940000 Ar no azo tamin’izany. Tsy niasa irery anefa ny Vehivavy TIM tamin’izany, fa nanampy azy ireo ny RMDM DIASPORA sy ireo olona malala tanana avy any ampitandranomasina avy atsy amin’ny Nosy La Reunion, Canada, ary Frantsa, ka nahafahana nanome vola 200000 ariary (2 hetsy Ar) avy, ho an’ny fianakavian’ireo gadra politika, nandritra ny tatitra saika nataon’ny solombavambahoaka ny 20 febroary lasa teo tetsy amin’ny kianjan’ny 13 mey, anisan’ny homena izany fanampiana izany koa i Berija Ravelomanantsoa.

Nisaotra ny RMDM DIASPORA, ny olona tsara sitrapo avy any ivelany, ny vehivavy TIM, ny solontenan’ny fianakavian’ireo voafonja tamin’ny fanampiana azy ireo. Ny tena angatahiny sy hamafisiny anefa hoy izy ireo dia ny hivoahan’ny havany any am-ponja fa tena mijaly izahay hoy ny fanambarana , indrindra efa miparitaka ny valanaretina CORONAVIRUS amin’izao fotoana izao, no sady tsy nanao heloka koa izy ireo.