Mpampianatra FRAM – Mivadika amin’ny teniny ny ministry ny fanabeazam-pirenena

Ny Valosoa

Nitokona teo amin’ny Lycéee JJ Rabearivelo Analakely ny herinandro teo, ireo mpampianatra FRAM, avy amin’ny fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo Renivohitra, noho ny fivadiam-panekena nataon’ny ministra ny fanabeazam-pirenena.

Mitaky ny ‘recrutement’ faobe sy ny tambin-karama nampanantenaina azy izy ireo. Raha 15.000 no nampanantenaina fa ho raisina dia tsy misy afa tsy 100 latsaka no voaray. Kely dia kely no voaray tamin’ny ‘recrutement’ 7ème sy 8ème vague, ny ‘Pré-sco’ 3, ny ‘Primaire’ 23; ny ‘Lycée’ 8. Tsy izay anefa no isa nolazaina tany amin’ny fampahalalam-baovao isan-karazany.

Nampanantenaina koa ireo mpampianatra FRAM, fa omena tambin-karama 91.000 Ar. Tapitra ihany ny telo volana faharoa, izany hoe efa ho enim-bolana, kanefa mbola tsy tonga eo amp-pelantanan’izy ireo io vola io. Hatramin’ny omaly alatsinainy 5 aprily ny fe-potoana nomen’izy ireo ny ministry ny fanabeazam-pirenena hamahana izao olana izao, raha tsy izany dia nilaza izy ireo, fa tsy hiverina amin’ny toeram-piasana hanomboka ny 19 aprily ho avy izao, izay tokony hiverenan’ny sekoly hisokatra.