Tsy mahatsindry ny Miara-manonja – Maivana be ilay fandaharana Tambatra

Mifamaly amin’ny fampielezampeo ny avy amin’ny mpanohitra sy ny avy amin’ny fitondrana ankehitriny.

Ny Valosoa

Namorona fandaharana hifanandrina amin’ny fandaharana Miara-manonja an’ny mpanohitra koa ny fitondrana, nomeny ny anarana Tambatra izany fandaharana izany ary nanomboka omaly atoandro.

Rehefa nohenoina izany fandaharana izany omaly dia tena tsy mahatsindry mihitsy ny Miara-manonja izany fandaharana Tambatra izany, maivana be ny hevitra mba havoakan’ireo mpanao gazety manentana ny fandaharana. Tamin’ny nanombohan’izany fandaharana izany omaly, dia mba nihaino ny mpanao gazety teto amin’ny Ny Valosoa Vaovao, noho ny maha-maivana izany fandaharana izany anefa, tsy hihaino izany intsony angamba izahay fa lasa fandaniam-potoana fotsiny.

Araka ny fantatra, tompo-kevitra amin’ny nanaovana izao fandaharana Tambatra hiaro ny fitondrana izao, ny ao amin’ny fiadidiana ny Repoblika, sy ny ministry ny serasera sy ny kolontsaina Lalatiana Andriantogarivo Rakotondrazafy. Tereny halefa amin’ireo radio tsy miankina any amin’ny faritra izany fandaharana izany, nisy mihitsy taratasy nalefany tany amin’ireo radio tsy miankina ivelan’ny renivohitra ny amin’ny handefasana izany amin’ireny fampielezampeo tsy miankina ireny, nefa isika tsy ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana intsony. Ny eto an-drenivohitra indray, ny fiadidiana ny Repoblika indray no tompon’antoka, nomeny vola ireo radio tsy miankina eto an-drenivohitra izay mandefa izany fandaharana “hiborosy” ny fitondrana izany ary hanaratsy ny mpanohitra.

Raha miresaka ny ministry ny serasera manokana, tena manao ny ataony tokoa ity ministra ity. Ataony fitaovana politika amin’izao fotoana ny hetsika Tanamaro, hita izany nandritra ny hetsika natao tany amin’ny distrikan’Andramasina faritra Analamanga ny sabotsy teo, hetsika Tanamaro an’ny ministera no resaka nefa mpikatroka amin’ny antokony: Freedom avokoa ny ankamaroan’ireo nanatanteraka ny hetsika Tanamaro, andron’ny olom-pirenena izany.

Saika nidiran’andro anefa ity ministra ity tany an-toerana ny sabotsy io, satria sondrovaka tamin’ny tafo bozaka ny tongony rehefa nandoko trano sekoly ary saika nidaraboka nianjera ny tenany. Tsetsatsetsa tsy aritra koa no ilazana ankoatra izany, diso ny anaran-dRamatoa ministra tamin’ny takelaka nilaza zavatra notokanana nandritra io fotoana io, ka tena vinitra dia vinitra i Madama Kely…