Tsy meloka Ravalo – Ny tena marina momba ny raharaha 7 febroary

Andry Tsiavalona

Afaka andro vitsy izany hoe ny alahady izao dia hiverina ao an-tsain’ny Malagasy rehetra, na ireo nitarika ny “vahoaka” notarihana naka ny lapa tetsy Ambohitsorohitra.

Na teo aza ny fampitandremana nataon’ny jeneraly iray ireo nirohotra nanatanteraka ny iraka nampanaovina azy tsy nihoatra ny tsipika mandrara ny fitsofohana ao amin’ny faritra mena misy ny Lapa. Angamba, mety tsy nahafantatra ny tetika efa nomanina momba izany ity jeneraly ity satria raha izy no teny amin’ny lohalaharana dia izy no niantefan’ny bala raha avy ao an-dapa tokoa ny tifitra.

Raha tsiahivina anefa ny fanomanana ity fananihan-dapa ity, dia ny fijoroana vavolombelona nataon’ny kolonely Charles no namaky bantsilana ny fivoriana teny Ambatobe tranon’ny filoha Andry Rajoelina nilazan’ny mpivory iray fa: “raha tsy misy rà latsaka” dia tsy hahomby ny tolona. Tsy ny avy ao an-dapa velively araka izany no nitifitra fa avy tamin’ny toerana hafa, ka araka ny fanadihadiana nataon’ny mpanao gazety vahiny iray mitondra ny lohateny hoe: “A qui profite ce crime” no nanamafy izany.

Raha ny marina dia tsy nitsodrano fotsiny, araka ny fanaony tamin’izany, no nomeny ireo tapakevitra naka ny lapa (vonona ny nandroba ihany koa), fa nitarika azy ireo teny an-toerana mihitsy. Azo antoka fa natahotra ny “bal perdu” izy satria fantany fa tsy avy ao an-dapa ny tifitra ary ireo nanao izany dia “tifitra an-jambany” no nataony kanefa ny bala tsy mahay manavaka, ka izany angamba, no nilazan’ny Praiminisitra, voatendry teny an-dàlambe Monja Roindefo, fa saika anisan’ireo maty izy raha tsy…

Ny fijoroana vavolombelon’ny kolonely Charles Andrianasoavina ihany koa dia nanambara, fa tariky ny kolonely Lilyson tamin’izany fotoana izany no nanao ireny tifitra vary raraka teny Ambohitsorohitra ireny ka nahafatesana olona am-polony maro, ary rehefa vita ny “operation” nataon’izy ireo dia nihazo ny lalampirenena voalohany RN1 izy sy ny ekipany.

Na inona na inona lazain’ny mpitondra amin’izao fotoana izao, izay nanosika ireo olona natao sorona dia tsy afaka manilika na amin’iza na amin’iza iny fandatsahan-drà ny mpiray Tanindrazana iny izy ireo ary tomponandraikitra feno amin’izany. Azo havoaka ho fantatry ny taranaka ankehitriny ny taratasy nosoratan’ny kolonely Charles sy ny horonan-tsary nataony tatsy La Réunion momba ity raharaha ity.

Nosamborina ny jeneraly lehiben’ny mpiambina tao an-dapa ary notsaraina. Nampangaina ho mpamono olona, ka notsaraina tsy natrehiny ny Filoha Ravalomanana Marc, momba ity raharaha ity. Nanaovana hetsika fahatsiarovana isan-taona ny 7 Febroary nandritra ny tetezamita sy ny Repoblika IV-1 ary amin’izao Repoblika IV-2 izao.

Tsy sahy nisambotra ny kolonely Charles ny fitondrana nifandimby kanefa azo inoana, fa tsy maintsy nanao izany ireo raha nandainga izy. Raha tsiahivina tokoa araka ny fijoroana vavolombelon’ny kolonely Charles, ny Zoma 6 Febroary 2009 dia nifamotoana teny Ambatobe ireo karazan’olona samihafa, izay niketrika ny hisian’ny fatiolona ny ampitso 07 Febroary 2009. Niara-nivory tamin’i Andry Rajoelina teny Ambatobe ry Monja Roindefo, Alain Ramaroson, Ny Hasina Andriamanjato, sns… ny tanjona dia ny hisian’ny rà latsaka hahazoana mandoto ny Filoha Marc Ravalomanana ho mpamono olona.

Ny Sabotsy 07 Febroary 2009 dia nambara, fa hotendren’i Andry Rajoelina eny amin’ny kianjan’ny 13 Mey ny Praiminisitry ny tetezamita, ary voalaza koa fa ho tonga eto Antananarivo ilay mpanakanto malaza nanao sesitany ny tenany tany Frantsa hanafana ny lanonana, kinanjo tsy tonga tampoka.

Io Sabotsy io dia notendren-dRajoelina ho Praiminisitra i Monja Roindefo, ka notsofiny rano haka ny Lapan’Ambohitsorohitra miaraka amin’ny vahoaka marobe niainga tao amin’ny kianjan’ny 13 Mey, nandalo ny Hotel Glacier, nihazo an’ Ambohijatovo dia niakatra an’ Antaninarenina, ny tanjona dia ny hitondra ireo vahoaka marobe ho vonoina hatao sorona. Tratra ny tanjona ho an-dRajoelina sy ny forongony satria nirefotra ny basy ary maro ireo namoy ny ainy, nisy mpanao gazety mpaka sarin’ny RTA maty voatifitra, kanefa tsy nisy ny fitoriana nataon’ny mpampiasa azy.

Nisavorovoro Antananarivo iray vohitra noho ny fatiolona, novoizina mafy tamin’izany fa mpamono olona ny Filoha Ravalomanana, voaporofo anefa nandritra ny fitsarana ny raharaha 07 Febroary dia nanambara ireo voatifitra, fa nianjera nankany aloha avokoa, ny dikan’izany dia avy any aoriana no nitifirana azy ireo, mazava izany fa tsy nisy fitifirana niainga avy tao amin’ny Lapan’Ambohitsorohitra ary ny fitiliana nataon’ireo mpitsabo dia mazava, fa tsy balana kalachnikov no nahafaty ireo niharam-boina fa basy jiosy.

Ny dikan’izay voalaza rehetra izay dia tsy mitombina ny fiampangana ny Filoha Ravalomanana, ny Sekretera Jeneraly miadidy ny Zandarimariampirenena ankehitriny aza nitatatata hoe ho any Afrika Atsimo hono izy hisambotra an’i Dada, izao efa eto ny Filoha Ravalomanana tsy hita izay atao, ny tokony hataon’ity Jeneraly ity dia mitady ny tena tompon’andraikitra tamin’ ny vono olona izay tsy alavitra fa manodidina azy ao ihany.

Mikasika ireo namoy ny ainy dia indrisy fa matimaty foana, mody hanaovana fotoampivavahana fahatsiarovana isaky ny 7 Febroary kanefa dia hita fa famendrofendroana sy fandatsana ny maty mihitsy.