Fitsangatsanganan’ny Miara-manonja – Hitondra fanampiana ny RMDM La Réunion

Niaina

Ho fiaraha-mientana amin’ireo Mpiray Tanindrazana hanao fitsangatsanganana amin’ny sabotsy 6 Febroary izao, sy amin’ireo mpiara-mitolona manerana izao tontolo izao, dia handefa fanampiana izahay RMDM La Réunion, hoy ny fanambarana avy amin’izy ireo.

Tsy manana “volamena” na “devises aman-tapitrisa” tahaka ny sasany izahay, fa hanao izay tratry ny herinay rehetra kosa am-pitiavana sy an-tsitra-po, mba hahatomombana izay kasaina hatao, indrindra mikasika ny fitaterana ny olona.

Tsara ho fantatra fa manodidina ny 30€ eo no saran’ny fanofana fiara iray mpitatitra olona, toy ny Sprinter na Mazda : 12 ihany no isan’ny olona zakan’ny fiara iray noho ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana. Ka manainga ireo diaspora izy ireo handray anjara amin’ity adidy masina ity.

Miray fo sy saina tanteraka amin’ny Mpiray Tanindrazana hatrany ny RMDM La Réunion. Miara-manonja dia amin’ny sabotsy mifankahita, hoy hatrany ny mpitondra teniny.