Fitakiana ireo Nosy Malagasy – Tsy andrenesam-peo intsony ny Filoha Rajoelina

L’île de Grande Glorieuse, en octobre 2019. JACQUES WITT / AFP

Sôh’son

Maro ireo soso-kevitra mipoitra ankehitriny momba ny amin’ny famerenana ireo Nosy Malagasy bodoin’ny fitondrana frantsay. Nosy izay tokony hiverina amin’ny Malagasy rehefa niverina ny fahaleovantenan’i Madagasikara. Ankoatra ny famoahana fehin-kevitra teny Ivato, dia misy ny olom-pirenena mampahatsiaro izany, no misy ihany koa ireo hevi-baovao. Hatraiza anefa ny handraisan’ny fanjakana tomponandraikitra ireny rehetra ireny.

Tsy andrenesam-peo intsony momba an’io resaka fitakiana ny amin’ny famerenana ireo Nosy Malagasy ireo ny filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina, nanomboka ny volana jona ankatoky ny fanamarihana ny fetim-pirenena. Izy izay nanao angoan-tenda fa tsy maintsy tafaverina amin’ny Malagasy ireo alohan’ny 26 Jona. Nisy ny fihaonany tamin’ny tomponandraikitra frantsay volana vitsy lasa izay, fa tsy nisy resaka momba izany mba nantenain’ny Malagasy.

Mazava loatra, hita miharihary ny hakely endaky ny fitondrana Rajoelina amin’ny fifanatrehana amin’ny fitondrana frantsay. Ity farany izay hita miharihary fa mandrirarira fotsiny ny mpitondra Malagasy eo amin’ny resaka fifampidinihina sy amin’ny hahatongavana amin’ny famerenana ireo ampaha-tanin’ny Malagasy ireo. Tsy misy anefa ny mangarahara momba izany ataon’ny fitondrana, kanefa tena ilain’ny vahoaka izany amin’izay tokony hataony. Mitaky fiaraha-mientana amin’ny rehetra sy ny vahoaka ny mpitondra, kanefa manafinafina izay dingana nataony marina amin’ny fifanatrehana amin’ny mpitondra frantsay, ankoatra ireo ambaran’ny tomponandraikitra Malagasy amin’ny fomba ofisialy aparitaka amin’ny haino vaky jery.

Raha tsy mangarahara tsara ny raharaha, fa tsy afinafenina na misy zavatra atao mangingina, indrindra amin’ny politika sy foto-kevitra ijoroan’ny fitondrana, dia mbola sarotra ny hanetsika ny hambompon’ny vahoaka Malagasy manontolo. Manonofy ny fitondrana raha toa ka mihevitra ny hahita fientanam-bahoaka toy ny tamin’i Barea ireny. Raha mbola misy ny ahiahin’ny vahoaka amin’ny fitondrana, toy ny amin’ny hoe firaisana petsapetsa ataony miaraka amin’ny frantsay, ohatra, dia tsy hisy izany. Ny filohan’ny Repoblika rahateo sy olona maro ao amin’ny fitondrana, dia samy manana ny fizakàna ny zom-pirenena frantsay avokoa, izany hoe misabaka, fa tsy mifototra amin’ny maha Malagasy madio mangarahara.

Araka izany, dia tsy ampy ny serasera ataon’ny fitondrana amin’ny vahoaka momba ity resaka famerenana ireo Nosy ireo hatreto. Efa ampy anefa izay 60 taona, ankoatra ny taona maro nanjanahana an’i Madagasikara izay, ka hametrahana ny tena fahaleovantena sy fiandrianam-pirenena marina. Fotoana izao, fa tsy miala iandrasana ny rahampitso, izay karazan’ny ho fialàna bala sy fanilihana andraikitra amin’ny taranaka any aoriana.