Mahajanga – Manamafy ny fototra ny antoko TIM

Isambilo

Tao aorian’ny tany Toamasina, faritra Atsinanana ny herinandro lasa teo, ny tany Mahajanga faritra Boeny indray no nanaovan’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) ny fanamafisana ny fototry ny antoko.

Ao anatin’ izay asa famelomamaso sy fanamafisana ny fototry ny antoko Tiako i Madagasikara izay, nihaona tamin’ ireo tompon’andraikitra ny antoko any amin’ny faritra Boeny, dia ny avy amin’ny Faritra: RegTim), ny avy amin’ny Distrika: DisTim tao an-drenivohitra Boeny, ny solontena avy amin’ny Birao Politika Foibe, izay tarihin’ny sekretera jeneraly, Rina Randriamasinoro, nahitana koa ny mpandrindra nasionaly, Jean Claude Rakotonirina.

Maneho hatrany ny fahavononany, handray anjara mavitrika amin’ izany asa famelomamaso ny antoko izany ny tsirairay any an-toerana ary mijoro hatrany ireo mpikambana, hitondra avo sy hanatanjaka hatrany ny antoko, ao anatin’ny filamatra napetraky ny filoha nasionaly Marc Ravalomanana hoe: TIM FOREVER, TEAM DYNAMIC, na TIM foana foana, sady ekipa mavitrika lalandava.

(Sary: Ny fihaonan’ny solontena avy amin’ny Birao politika foiben’ny antoko TIM, sy ireo mpitarika ny antoko any amin’ny faritra Boeny.)