Filoha Ravalomanana – Nisantatra sy loha-laharana amin’ny ady amin’ny kolikoly

Andry Tsiavalona

Enimpolo taona izao no namerenan’i Frantsa ny “fahaleovantena” ho an’i Madagasikara, ka Repoblika efatra no nifandimby teto kanefa azo lazaina ho enina izany satria filoham-pirenena telo no nifandimby tao amin’ny Repoblika fahatelo. Samy nikitika ny Lalàmpanorenan’io Repoblika III io ny Amiraly Ratsiraka Didier sy ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc. Azo lazaina fa nanome fahalalahana be dia be ho an’ny olompirenena teo amin’ny lafiny rehetra ny Repoblika III, ka izay no anton’ny nanomezana anarana ny Pr. Zafy Albert ho rain’ny demokrasia.

Tsy azo hodian-tsy hita ihany koa anefa fa nanomboka teo no nipoiran’ny gaboraraka teo amin’ny sehatra rehetra satria toy ny soavaly tapa-kofehy ny olompirenena rehefa niaina tao anatin’ny gejan’ny fitondrana sosialista (embrigadement) nandritra ny dimy ambin’ny folo taona teo. Tsy nisy ny fahalalahana naneho hevitra nandritra ny Repoblika I, tsy nisy fifandraisana tamin’ireo tany sosialista, nasiaka tokoa ny sivana teo amin’ny lahatsoratra an-gazety ary nisy ireo mpanao gazety niditra am-ponja noho izany. Nisokatra tamin’ny firenena rehetra ny fitondrana teo amin’ny Repoblika II saingy tsy nisy loatra ny fahalalahana ary ilay fifandanjana ara-poko (quota ethnique) teo amin’ny fifaninanana fidirana tamin’ny sekoly ambony sy ny fahazoana vatsim-pianarana no nitsirian’ny saina manao kolikoly. Ary tamin’ny Repoblika III-1 notarihan’ny Pr. Zafy Albert, no tena nirongatra ary zary lasa kolontsaina iainana indrindra eo anivon’ny manampahefana eto amin’ny Firenena. Nahazo laka tanteraka izany kolikoly izany nandritra ny tetezamita, ka hatramin’izao Repoblika IV-2 ary na manambara etsy sy eroa aza ny mpitondra fa laharampamehana ny ady amin’ny kolikoly dia toy ny rano atosaka eo ambon’ny gisa izany satria ny any ambony ihany no fitaratra. Tsy misy miafina ny resaka malety teo amin’ny mpikambana tao amin’ny Antenimieram-pirenena taona lasa vitsy izay. Entin’ny mpitondra amin’izao Repoblika IV-2 mihazakazaka mizotra any amin’ny làlan’ny fahalovana sy ny fahadisoam-panantenana ary ny famoretana ny fiainam-pirenena sy ny vahoaka Malagasy.

Tokony ho voafehy ity resaka kolikoly ity tamin’ny Repoblika III-3 naha filoham-pirenena an-dRavalomanana Marc satria anisan’ny ady natrehin’ny fitondrana tamin’izany ny ady amin’ny kolikoly, ka nananganana ny Bianco, ny CSI (Conseil pour la Sauvegarde de l’Intégrité) sy ny Samifin, izay mbola eo ary azo lazaina fa am-perinasa tanteraka, saingy iaraha-nahita sy naheno ireo teritery (pressions) mihàtra amin’ireo sampana misy ao amin’ireo rafitra ireo. Azo lazaina arak’izany fa loha-laharana amin’ity ady amin’ny fahalovana ity ny Filoha Marc Ravalomanana, satria tamin’ny fotoana nitondrany no nananganana ireo sampan-draharaha miady amin’ny fahalovana sy famotsiam-bola ireo. Ary efa fambarany rahateo ny hoe:”rehefa tsy voalohany dia aleo farany”, noho izany loha-laharana mihitsy izy sy ny fitondram-panjakana notarihany tamin’ny fanaovana ny ady amin’ireo zavatra fanetriben’ny firenena ireo.

Ankoatra izany, raha ny ankehitriny no jerena, eo ny ataon’izao fitondrana izao amin’ny fanaovana volavolan-dalàna hanovàna ny andininy sasany ao amin’ny fitsipi-pifehezana ny PAC ohatra. Niteraka fankahalana an-dRavalomanana Marc ny fisamborana olona ambony teto amin’ny firenena noho ny kolikoly satria nolazaina fa noho ny antony politika no nisamborana azy ireny. Tokony ho efa resy ny kolikoly raha nitohy hatramin’ny taona 2012 ny fitondrana notarihan’ny filoha Ravalomanana Marc ary azo ninoana fa tratran’i Madagasikara ny “Tanjon’ny Taona Arivo” (Objectifs du Millénium) nofaritan’ny Firenena Mikambana. Tsy mbola nahazo laka toy ny tamin’izao fotoana izao ny kolikoly teto amin’ny Firenena koa raha tsy ny olona nanomboka ny ady sy nametraka ny rafitra hiadiana amin’izany no mamerina indray ny làlan-tsaina hizorana amin’izany dia ho zava-poana ihany ny ezaka, indrindra ihany koa fa ny vahoaka tsy mandady harona ihany no tena iharan’ny kolikoly ary ny ao anatin’ny fitondrana ihany no tena ahitana ity pratika mamotika Firenena ity.