MITSANGANA NY SAINA FOTSY (eo anivon’ny mpampianatra tsy miankina)

Atsanganay ny saina fotsy mba ho marika mitory
Fa mijaly ny mpampianatra, efa noana sady refona.
Tsisy resaka maloto miharo politika akory,
F’efa resy, tena resy, hany ka milavo lefona!

Tena niezaka hatrany ny hijoro sy hikiry
Mba hanohitra ny aretina ary koa ny tsy fisiana,
Saingy nofo ihany anefa ka mandre mangirifiry,
Hany ka milavo lefona ety an-tany fiadiana!

Mafy izany tsisy mpihaino sy tsy nisy fo nangoraka.
(Ny mpitondra fanjakana, toa marenina sy jamba!)
Tsy mba henony mihitsy ny antsoantso sy horakoraka,
Izay nataon’ireo mpampianatra miaraka amin’ny hofa lamba!

Tsy voaloa ny hofantrano, (ataon’ny olona firesaka!)
Fa mpampianatra mahantra sy efa tena tsisy vidiny!
Ny mpitondra anefa maro no matavy mila hitresaka,
Saingy tsy ahoany akory izay mba tokony ho adidiny!

Antso vonjy no atao, “vonjy aina” no andrasana,
F’efa tena mitoloko sy efa miondrika amin’ny tany.
Aza andrasana higaona re ny varavaram-pasana
Fa vonjeo ireo mpampianatra raha mba azo atao ihany!

SEDERA RAVALISON (30-07-20)