FANTARO NY MAIKA

Aoka izay ny fandrebirebena
Amin-dresaka sy ny kabary.
Efa rendrika ny firenena,
Izahay efa maty mosary.

Izany masom-bahoaka efa folo.
Sasa-miandry an’ilay vatsy tohana.
‘Ndeha ataovy mahazo daholo,
Mba ho tambin’ilay fihibohana.

Aoka izay ny fanodinkodinana
Nahazatra anareo iray antoko.
‘Ndeha zarao amim-pahamarinana,
F’aza dia anavahana loko.

Aza faly ny hampanonofy,
Na koa hoe hampandihy ny marary.
Ny ilain’ny vahoaka farofy:
Fanafody sy vola ary vary.

Fa ny ankoatran’ireo dia tsy maika.
(Colisee izany aloha adabohy !)
‘Ndeha havaozy mihitsy ny paika,
Ary izay mahasoa no karohy .

TSIMIMALO (27-07-20)