Fitondrana Rajoelina – Efa miseho hatrany ny olana vao mikoropaka

Sôh’son

Mandrapahoviana no hahay hitsinjo ny ho avy sy hisoroka izay mety olana mpitranga eto amin’ny firenena ity fitondrana Rajoelina ity ? Raha tena mpitondra mahay mitantana firenena tokoa ary mahatsiaro ho mpanompon’ny vahoaka fa tsy tompoin’ny vahoaka dia tsy matory andro aman’alina mifofotra mijery izany. Ny olana maro samihafa mitranga amin’izao fotoana izao etsy sy eroa dia efa mpiseho teto amin’ny firenena ny ankamaroany.

Anisan’izany, ohatra, ny fitakiana ataon’ny mpikambana amin’ny Seces sampana Antananarivo, na momba ny vatsim-pianaran’ny mpianatra, ny olana momba ny tany ka hikasana hanilihana ny mponina, ny olana amin’ny fifidianana, ny krizy mpitranga amin’ny sakafo na zavatra fanjifan’ny mponina andavanandro, raha tsy hilaza afa-tsy ireo. Ny hita hatrany dia efa miverina mitranga ireny olana samihafa ireny ary efa miha- mafana ny fisehony vao mikoropaka ny fitondrana. Tsy araka ny anarana isalorana fa miada-pamindra amin’ny fandraisana andraikitra.

Vao nitranga indray ity ny olana teo amin’ny famatsiana solika. Efa tokony ho fantatry ny fitondrana ny toe-tsain’ny vahoaka Malagasy sy ny fihetsika ataony rehefa misy zavatra mipoitra mahatohina ny filany andavanandro, ka miha tsy hita eo amin’ny tsena. Tsy tokony ho mpitondra raha tsy mahay an’izany. Niaraha-nahita ny zava-nisy na dia niezaka nanazava aza ny tomponandraikitra samihafa. Ny tsikaritra dia niantomotra tanteraka ny tsy fahampiana, mba tsy ilazana hoe tsy hisy, ara-tsolika teto an-drenivohitra sy ny manodidina.

Antony ny firohotana samy nanjifa solika ireo mpampiasa ity loharan’angôvo io. Tokony hahay hisintona lesona amin’izany ny mpitondra, raha tena mpitondra marina tokoa, fa tsy hanome tsiny an’iza na iza na hanenjika olona toy ny fanaony indray tato ho ato. Rehefa tsy manana traikefa ny fahendrena dia maka lesona sy manatsara ny fomba fiasa. Mila mahatsapa ny fitondrana fa misy elanelana eo aminy sy ny vahoaka ary miha-ratsy endrika ny maha to teny azy matoa efa noezakezahina mafy tamin’ny haino aman-jery maro samihafa ny fanazavana kanefa tsy mandaitra amin’ny olona. Izany toe-javatra izany anefa tsy tongatonga ho azy fa miainga mandrakariva amin’izay fihetsika sy fomba fiasa ataon’ny fitondrana. Mila mandini-tena lalina araka izany ny mpitondra sy manam-pahefana rehetra mba tsy hihombo ny “aretina” manjo ny firenena.