EDITO 26 Oktobra – Fiainam-pirenena sy ny filoha Rajoelina – Tsy “boîte de nuit” ny firenena

Ny Valosoa

Filoham-pirenena nankatoavin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana (HCC) ny filoha ankehitriny, kanefa tsy fihetsika tompon’andraikitra manampahefana no ataony fa mbola ilay fomba fanaony fony izy mbola Dj, mpampandihy amin’ny trano fandihizana na “boîte de nuit”.

Fa manao ahoana ny fomban’ny Dj? Izy no mandefa ny hira ka izay tiany no mandeha na rock na slow na kilalaka, sns,… ankoatr’izay mbola ny Dj no manentana ny mpandihy toy ny hoe: “tout le monde sur la piste, tournez à droite, sautez”…, sns, dia manaraka ireo mpamonjy “boîte de nuit” efa jenjin’ny rano mahadomelina sy ny jiro maroloko manjelanjelatra, dia mbola izay no ataon’Ingahy Filoha; totofana ny tanimbary eny Ambohitrimanjaka, alefa any Bevoay ny vahoaka eny, halaintsika ny Iles éparses, sns… Tsy nahomby avokoa izany satria tsy vahoaka domelina akory no resahina ary ny mpitondra frantsay tsy hanaiky mora foana, satria harena tsy hita pesimpesenina no misy ao amin’ireo Nosy Malagasy ireo.

Nahazo vahana teo amin’ny fampahalalam-baovao ny nambaran’ny filoha frantsay tatsy amin’ny Iles Glorieuses, iray amin’ireo Nosy Malagasy, nohamafisin’ity filoha ity ny nambaran’ny Ambasadaoro frantsay teo aloha Ramatoa Veronique Vouland Anieni, izay sahy nanitrikitrika, fa an’i Lafrantsa hono ireo Nosy Malagasy dimy. Taorian’io fanambaran’ny filoha frantsay io dia nilaza indray ny filoha maIagasy fa hajoro ny vaomiera iombonana handinika ny famerenana amintsika malagasy ireo nosy ireo, kanefa atao inona ny vaomiera iombonana satria ny Firenena Mikambana efa nanambara fa antsika malagasy madiodio ireo nosy ireo efa ho 40 taona izao.

Tamin’ny fifanatrehan’ny kandida tamin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa dia nampanantena ingahy filoha ankehitriny, fa tsy ho sarotra ny fitakiana ireo nosy dimy ireo. Ny Filoha Marc Ravalomanana dia nilaza mazava tamin’io fifanatrehana io fa mila fanjakana matanjaka rehefa mifampiraharaha amin’ny any ivelany. Dia izao iaraha-mahita izao ny tohin’ny tantara, fa tsy misy mandeha amin’ny laoniny ny fitantanana ny raharaham-pirenena sy ny fandaminana ny iraisam-pirenena.

Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana eto ampamarana fa ireo vaninandro manana ny tantarany teto amin’ny firenena dia tsy tongatonga ho azy, ny fifanandrifiana amin’ny tsingerin-taona nahaterahana tompon’andraikitra fa efa laha-janahary: ny Filoha Zafy Albert dia teraka 1 Mey andro maneran-tany ho an’ny asa, tsy mahagaga raha olona tia niasa ny Pr Zafy Albert; ny 03 Mey no andro iraisam-pirenena natokana ho an’ny fahalalahan’ny fanehoan-kevitra sy ny fampahalalam-baovao , mifanojo amin’ny tsingerin-taona nahaterahan’i Neny Lalao Ravalomanana izany, dia voaporofo fa i Neny dia tompon’andraikitra vonona hatrany hihaino sy hifanakalo hevitra. Ny 12 Desambra 1979 no nanambara ny Firenena Mikambana fa antsika malagasy ireo nosy dimy , feno 30 taona katroka ny Filoha Marc Ravalomanana tamin’izany. Azo eritreretina fa tsy kisendrasendra izany fa efa voalahatra , noho izany dia azo inoana fa ny Filoha Marc Ravalomanana no manana ny paikady hamerenana amintsika ireo Nosy Malagasy ireo.

Mila entina ambavaka izany !