Rina N°02 Antananarivo – Ny mponina mihitsy no mila azy

Rina N°02, nihaona mivantana tamin’ny mponina teny Andranomanalina

Stefa

Manohy ny hetsika fampahafantarana azy eto Antananarivo ny kandidà ben’ny tanàna avy amin’ny Tiako i Madagasikara (TIM) Rina Randriamasinoro na Rina N°02 amin’ny biletà tokana.

Ombieny ombieny dia tsapa fa ny mponina mihitsy no mila sy mitady azy. Omaly sy afak’omaly, Mandrangobato faha-2 Anosibe, Andranomanalina, Manarintsoa, Andavamamba no nihaona taminy. Tao Andranomanalina, fahoriana lalandava no iainan’ireo mponina vantany vao mirotsaka ny orana. Toy izao no miandry azy ireo raha vao mivoaka ny trano: rano sy fotaka mandrevo mitondra fofona tsy zaka, nefa dia tsy maintsy miroboka rehefa hivoaka hamonjy ny asa fivelomana sy ny toeram-pianarana.

Araka ny fangatahan’ireo mponina teny an-toerana, avy hatrany dia vahaolana no naroson’i Rina. Misy ny asa mila fotoana sy fanarenana maharitra hoy i Rina, fa tsy maintsy vitaina ao anatin’ny fotoana fohy kosa ny fanadiovana sy fanamboarana ity lalana eto Andranomanalina ity. Raikitra ary ny asa, ny tanora lahy sy vavy avy eo an-tanàna ihany no nantsoina hanao ny asa tanamaro na Himo (Haute Intensité de Main d’Oeuvre). Tapakevitra izy ireo ny hivoatra sy hiaina anaty fahadiovana. I Rina kosa mamatsy fitaovana sy mankahery azy ireo. Mihaino sy mandray ireo fangatahana sy hetahetan’ireo mponina any anaty tanàna sy elakelantrano i Rina. Resy lahatra izy ireo fa tanora mavitrika sy voky traikefa ary mifampitakosina amin’ny vahoaka toa an’i Rina no andrandraina hitantana sy hanarina an’Antananaivo renivohitra.

Tsikitsiky sy endrika feno fanantenana no nandraisan’ny mponina Andranomanalina, Manarintsoa ary Andavamamba an’i Rina teny amin’ny lalan-kely sy toeram-pitadiavana samihafa nolalovany. Ny tao amin’ny fokontany Anosibe Mandrangobato indray, dia nitondra vatsy sy fitaovana hamonjena ireo mponina traboina noho ny haintrano niseho ny sabotsy 19 oktobra teo ny kandidà laharana faha 2. Nataon’i Rina laharampahamehana ny fanomezana ireo kojakoja ilaina an-davanandro sy an-tokantrano toy ny lamba fitafy, ny kojakoja samihafa ilaina ao an-dakozia ary ny fitaovam-pianarana ho an’ny mpianatra, araka ny fangatahan’ireo traboina ihany, izay noheverin’izy ireo fa maika aminy.

Ankoatra izay dia nihaino ny hetaheta sy fangatahan’ireo traboina i Rina. Fanantenana vaovao ho an’ny tanànan’Antananarivo sy ny vahoaka ao aminy i Rina. Hitondra ainga vao hametraka amin’ny toerany ny maha renivohitr’i Madagasikara an’Antananarivo hatrany. Ananany ny fahalalana sy ny fahaiza-manao ary ny traikefa enti-miatrika izany. Kandidà efa voasedra sy efa nahavita be tamin’ny fitantanana mahomby nasehony nandritra ny naha talen’ny fitantanam-bola sy tamin’ny nanendrena azy ho sekretera jeneralin’ny kaominina Antananarivo renivohitra.

Sary RINA: Rina N°02, nihaona mivantana tamin’ny mponina teny Andranomanalina.