EDITO 28 Septambra – Fanendrena governora – Manipy hoditr’akondro ho an’ny tenany Rajoelina

Helisoa

Malaza foana ny teny hoe misy manipy hoditr’akondro ny filohampirenena teto Madagasikara, rehefa misy ny fanapahan-kevitra izay heverin’ny maro fa tsy mety raisin’ny mpitondra. Ireo olona manakaiky ny filoha amin’izany no mahazo loza sy lasibatra matetika.

Raha ny zava-misy eto amin’ny firenena ankehitriny dia midi-droa ihany io resaka io, fa tsy ny tandapa hatrany no omena tsiny. Misy manipy hoditr’akondro ny filoha Andry Rajoelina matoa hatramin’ny 10 volana nitondràny izay dia efa maromaro ihany ny fanapahan-kevitra taingina noraisin’ny fitondràna TGV/MPAR/IRD izay efa fantatry ny maro. Ohatra vitsivitsy no omena antsika amin’izany, saika hanao fitsapankevi-bahoaka miaraka amin’ny fifidianana depiote ny fitondràna Andry Rajoelina vao tafapetraka teo amin’ny toerany izy hametrahana governora hanatanterahany ny velirano izay nataony hono!

Araka ny serasera izay efa natao mafy be tamin’ny haino amanjery samihafa an’ny mpomba ny fitondràna dia ny mba hisian’ny fitsinjarampahefana eto amin’ny firenena no voalaza fa hanaovana io fitsapa-kevi-bahoaka io! Afa-baraka teo ny fitondràna TGV satria nolavin’ny HCC io resaka fitsapan-kevibahoaka miaraka amin’ny fifidianana depiote io. Teo dia nomen’ny fitondràna tsiny ny HCC ao anaty farango sosona satria nilaza ny filoha tamin’izany fa misy misakana amin’ny hisian’ny fitsinjarampahefàna tena izy eto amintsika.

Manaraka izany, teo ny resaka nataon’ny filoha fa ho ravàna ny Antenimierandoholona, mbola tsy tanteraka indray izany satria tsy maintsy manapitra ny fotoampiasàny ara-dalàna ity andrim-panjakàna: mpiahy ny vondrom-bahoakam-paritra, sy mpanolotsaina ny governemanta ity, vao miala eo amin’ny toerany. Tsy zakan’ny TGV ny fisian’io andrimpanjakàna io satria ny HVM no maro an’isa ao.

Vao omaly ny omaly, nataon’ny fitondràna TGV kopisoroka araka ny fitenin’ny tanora indray ny fanendrena ireo governora isaky ny faritra, izaany hoe natao amboletra tsy nanontaniana ny hevitry ny HCC akory. Misy moa ny filalaovana ny lalàna dia atao mety avokoa na hita mibaribary aza fa tsy mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana misy ankehitriny, izay ny mpitondra amin’izao fotoana izao ihany aza no nanao izay hampandàny io lalàmpanoeranana io tamin’ny taona 2011.

Eto aloha na inona ambara na inona lazaina dia ny filohampirenena Andry Rajoelina mihintsy no manipy hoditr’akondro ny tenany. Ianao Andriamatoa no nofidian’ny vahoaka na nisy zavatra tsy manjary aza no nahatonga anao teo amin’io toerana, fa tsy ny tandapa manolotsaina anao. Ankoatra izany, raha fitantanan-draharaham-panjakana toy ny hoe governora, lehiben’ny faritra,… izany, tokony ireo nahavita fianarana teny amin’ny ENAM, INFA, no ho loha-laharana ho amin’izany toerana izany, fa tsy izay rehetra akamakama no omena toerana, na hita izao aza fa tsy hahomby.

Izay no ilazana fa Rajoelina ihany no manipy akondro hampibolisatra azy.