Ambohitrimanjaka – Nanao hetsika ampilaminana ny mponina mivelona amin’ny tanimbary

Nanao hetsika ampilaminana ny mponina mivelona amin’ny tanimbary eo amin’ny kaominina Ambohidrapeto, Ambohitrimanjaka, Ankadimanga ary Fiombonana.

Niainga teny Mahitsy Ambany ny diabe hatreo amin’ny sampanana Ambohitrimanjaka.

Naneho ny fitakiany tamin’ny alalan’ny sora-baventy izy ireo:
– ” Tsy manaiky ny hanotorana ny tanimbarinay izahay tantsaha eto amin’ny kaominina Ambohidrapeto – Fiombonana”
– “Projet Tanamasoandro dehors!”
– “Non au remblai de nos rizières!”
– “Tsy manaiky ny hanotorana ny tanimbarinay eto Ambohitrimanjaka”
– “Tsy ekena ny fanotofana ny tanimbarinay satria tsy maifanaraka @ politikam-panjakana izany, izay milaza fa hampitombo ny fambolena vary!”
– “Izahay vahoaka eto Lehilava Ambohitrimanjaka dia tsy manaiky ny hanotofana ny tanimbarinay”
– “Fokontany Beloha – Tsy manaiky ny hanotofana ny tanimbarinay eto Ambohitrimanjaka”
– “Tsy ekenay totofana ny tanimbarinay – Ataovy any amin’izay tianareo amindrana azy ny Tanamasoandro”