Iavoloha – Papa François – “tsy misy olona na iray aza azo ailika”

“ny asa sy ny andraikitra politika dia miteraka fanamby maharitra ho an’ireo izay nomena iraka mba hanompo sy hiaro mpiray tanindrazana aminy, indrindra ireo izay tena marefo, ka hanamora ny hisian’ny fepetra ho amin’ny fivoarana mendrika sy marina, izay manosika ireo mpisehatra ao amin’ny fiaraha-monim-pirenena handray andraikitra”
[…]
“mankahery anareo aho mba hiady amin’ny herinareo sy finiavanareo hanohitra ireo endriky ny areti-maharitry ny kolikoly sy ny fitadiavana tombon-tsoa izay mampitombo ny fahasamihafana ara-tsosialy ary mankahery anareo hiatrika ireo trangam-piainana tena mangozohozo sy trangam-piainan’ny fanilihana izay miteraka mandrakariva ireo anton’ny fahantrana tsy zakan’ny olombelona”
[…]
“Izany fampivoarana izany dia … mitaky ny fankatoavana ireo izay manan-jo ka voaantso handray anjara amin’ny fanorenana ny ho aviny”
[…]
“tsy maintsy miezaka isika mba tsy ho lasa antoka tokana amin’ny fampandrosoana ny firenena ny fanampiana omen’ny ankohonana iraisam-pirenena, ny vahoaka ao amin’ny firenena ihany no mandray an-tanana tsikelikely ny fampandrosoana, ka manjary tompon’antoka amin’ny ho aviny.”
[…]
“… tsy maintsy mihaino sy maneho fanajana manokana ny fiaraha-monim-pirenena eo an-toerana isika. Raha manohana ireo fandraisany andraikitra sy ireo asany isika, ny feon’ireo tsy manam-peo dia ho heno bebe kokoa, tahaka izany koa ireo endrika maro samihafa ahitàna firindràna, eny fa na dia mifanohitra aza, eo anivon’ny ankohonam-pirenena izay mikatsaka fiombonana. Manainga anareo aho mba hihevitra izay lalan-kizorana ahitàna fa tsy misy olona na iray aza azo ailika, na mandeha irery, na very.”

Kabary feno nataon’i Papa François teny Iavoloha (rohy eto)