EDITO 7 Septambra – Fifamoivoizana an’habakabaka – Resaka manidina no misy eto amintsika

Ny resaka Angindimby teny Mahamasina, izay nampiantsoina mpanao gazety tany amin’ny mpitandro filaminana sy fitsarana dia vao mainka nampamoha fota-mandry, ireo tranga samihafa momba ny fifamoivoizana an’habakabaka.

Tadidy tampoka ny mikasika ireo Angindimby Alouette 4, izay tsy mazava ny fomba nividianana azy sady izay indray tsy nampiasaina akory dia simba, adi-hevitra mbola tsy nilamina ny mikasika azy io fa dia niniana nampanginina fotsiny.

F’angaha izay ihany, fa niverina ao an-tsaina koa ny nanjo ny Air Madagascar, ilay orinasa potika tanteraka, ka ny fitondrana notarihan’ny Filoha Marc Ravalomanana no nanarina azy, nony tonga anefa ny taona 2009 nisian’ny fanonganampanjakana notarihan’i Andry Rajoelina dia nilentika indray, tsiahivina fa ny taona 2011 no feno 50 taona io orinasa goavana io, indrisy anefa fa tamin’io tsingerintaona io indrindra no nivoaka ny fandrarana ny fiaramanidin’ny Air Mad tsy ahazo hisidina ny habakabak’i Eoropa, fahatsiarovana farany izay ratsy izany, ny vahaolana nentin’ny fitondrana tetezamita dia ny fividianana ireo fiaramanidina Air Bus, izay fiaramanidina mbola brokantera ihany koa, ankehitriny tsy mbola mivaha ny olana momba ity orinasa reharehan’ny Malagasy ity.

Momba ilay fiaramanidina Air Force One II izay nanenjehana ny Filoha Ravalomanana , namidy izy io fa tsy mazava hoe nankaiza ny vidiny?

Fa tamin’ny fitondrana notarihan’ny Filoha Rajaonarimampianina dia nisy indray ny antsoina hoe Open Sky, izay nanome alalana ireo kaompaniam-pitaterana an’habakabaka avy any amin’ny firenena arabo niditra malalaka teto, ny tsikaritra dia feno ny fiaramanidina rehefa tonga eny Ivato, saingy rehefa mody any amin’ny niaviany izy ireny tsy misy mpandeha, izany hoe azo eritreretina fa nisy tamin’ireo vahiny tonga avy any ivelany no nijanona eto amintsika.

Mbola betsaka ny resaka tsy milamina eto amintsika eo amin’ny fifamoivoizana an’habakabaka, tsy hita izay vahaolana matotra fa dia resaka manidina no betsaka fa ny vahoaka Malagasy kosa mahatadidy fa tsy misavoamboana akory, tsy vahiny amin’ny eny an’habakabaka sady maharaka ny ety an-tany, ny tranga toy ireny resaka Angidimby ireny no vao mainka mampitombo ny fitadidian’ny vahoaka, ka dia ankasitrahana ireo mpamoha fotamandry.

Ny Valosoa