Mamy Ravatomanga – Blindés, Huawei, Omnis,… Hatraiza no fetra?

À deux ils font la paire, aucune opération juteuse ne puisse se faire à Madagascar sans qu'on ne cite le nom de M.Ravatomanga, l'homme de tous les coups, l'importation frauduleuse de ces vehicules blindés armés serait attribuée à sa société, au vu des dossiers des douanes

Maro izay raharaha manodidina ity namana iray akaiky ny filohampirenena ity, tsy iza fa i Maminiaina Ravatomanga, fantatra kokoa amin’ny anarany hoe Mamy. Olona mpandraharaha mahery vaika izy ity ary voalaza fa tsy azo hihodivirana eo amin’ny sehatra varotra sy fandraharahàna. Izy no tompon’ny vondrona Sodiat izay miasa amin’ny sehatra maro toy ny fiara (Auto Diffusion), ny solika (NMP-BTP), ny sidina (Trans Ocean Airways), ny fahasalamana (Polyclinique Ilafy) ary koa ny gazety (La Vérité sy Madagascar Matin).

Teo ny raharaha andramena, kolikoly sy tsy fandoavan-ketra izay naresaka tamin’ny gazety sy haino aman-jery maro. Ka ity raharaha farany ity dia momba ny fananan-trano telo manodidina an’i Paris izay mitentina 4,5 tapitrisa euros, ka tokony handoavany hetra na dia tsy tera-tany frantsay àry. Nisy ny fiaraha-miasan’ny mpanadihady frantsay niaraka tamin’ny Bianco ary ny 24 Jiona farany teo dia nanala ny sazy fihazonana ireo fananana ireo ny ambaratonga ambonin’ny fitsaràna frantsay (Cour d’appel). Na izany aza dia mbola mitohy ihany ny fanadihadiana.

Raharaha hafa koa ity izay nanomboka tamin’ny fotoana nialàn’ny filoha Rajaonarimampianina (7 septambra 2018), ny fampidirana ireny fiara “blindés” sy ny fitaovana miaramila raitra nilahatra tamin’ny fetimpirenena teo ireny, sy ny fiara “Cadillac” izay nireharehan’ny filohampirenena tamin’ny vao nahalàny azy. Ka ny orinasa “Auto Diffusion” no voatonona fa namoaka izany. Vao tsy ela koa moa no nadoboka am-ponja ny tale jeneralin’ny ladoany, Rabenjanarivony Eric, ary voasambotra koa Ramaherison Tolojanahary (Receveur des Douanes), Rasoamananjara Henintsoa Lovatiana (Lehiben’ny Sampandraharaha miady amin’ny hosoka), Razafindrakoto Lalatiana (Sampandraharaha fanadihadiana tao amin’ny ladoany). Misy ny loharanom-baovao nilaza fa 9.612 kaontenera no nanaovana hosoka, izay niarahana tamina mpandraharaha akaiky ny filoha tamin’ny fanjakana teo aloha.

Ankehitriny dia tetikasa niarahana namolavola niaraka tamin’ny orinasa Huawei nandritra ny fitondrana teo aloha no sakantsakanan’i Mamy Ravatomanga, amin’ny fitakiana anjara varotra anaty ny fandaharanasa fiembesana amin’ny fakàna horonantsary (vidéosurveillance) mitentina 50 tapitrisa dolara. Fantatra anefa fa eo anivon’ireo orinasa 12 izay tantanany ireo dia tsy misy manana ny traikefa mikasika ny fiembesana amin’ny fakàna horonantsary.

Tao anaty ny fifanarahana dia fametrahana fakàna horonantsary (caméra) isaky ny tanan-dehibe eran’i Madagasikara no anjara asan’ny orinasa Huawei miaraka amin’ny fametrahana ny kojakoja rehetra mampifandray azy ireo, ary koa finday ho an’ny polisy ifandraisana amin’ny alalan’ny satelita, ka tsy hiankinana amin’ireo mpandraharaha tsy miankina eto an-toerana toy ny Telma , Orange sy ny hafa koa.

Ankoatra ny orinasa Huawei dia maro koa ireo mpandraharaha manomboka mitaraina vokatry ny vatravatran’i Mamy Ravatomanga hijabaka amin’ny raharaham-barotra rehetra mipoitra, hany ka mampitarazoka ny fandehan-draharaha an-tsakany sy an-davany.

Mamy Ravatomanga, zanaka an-trano

Tsaroina fa vao lany filoha i Andry Rajoelina, dia nisy delegasiona ofisialy namonjy ny nosy Maorisy niaraka tamin’ny filohampirenena. Ary na dia tsy tao anaty lisitra ofisialy àry i Mamy Ravatomanga dia tafaraka toy ny zanaka ao an-trano.

Mitohy ny hetaheta goavana asetrin’i Mamy Ravatomanga amin’ny fanitarana tsisy farany ny fanangonan-karena. Tsikaritra indray izany tamin’ny fanendrena ny olony faharoa akaiky no sady tale jeneralin’ny Sodiat, Eric Razanamparany, ho ao amin’ny filan-kevi-pitantànana (Conseil d’administration) ny Omnis (Office des mines nationales et des industries stratégiques) izay misahana ny fanomezan-dalana amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany.

Mampametra-panontaniana ny mpamatsy vola vahiny miankina (institutions financières internationales) ny hetahetan’i Mamy Ravatomanga sy ny fifandraisany akaiky amin’ny fitondrana. Ahiana hisy fiantraikany eo amin’ny sehatry ny fandraharahana sy ny varotra izao tetika fanaparana tsisy fetrany izao.

Nangonin’i Lanzelo