EDITO 24 Aogositra – FITANTANAM-PIRENENA : Variana amin’ny kajikajy politika ny mpitondra

Sôh’son

Miharihary amin’ny vahoaka mpanara-baovao amin’ny fitantanam-pirenena, fa misy antony ny fanapahan-kevitra noraisin’ny fitondrana mbamin’ireo parlementera roa tonta ny amin’ny fanitsiana ny lalàna mifehy ny satan’ny mpanohitra, sy ireo antoko mpanohitra eto amin’ny firenena.

Lalàna efa mipetraka teo hatramin’izay ary nanaiky izany aza ireo mpanao politika nanohitra ny fitondrana tamin’ny fotoan’androny izay lasa mahazo laka eo amin’ny fitantanam-pirenena amin’izao fotoana izao no noezahina nokitihina indray, fa nahoana?Misy antony izany fa tsy mandehandeha ho azy hoy ny mpandinika. Misy kajikajy politika mazava loatra ao anatin’izany ary tsikaritra ho miha mahazo vahana eo amin’ny fomba fiasan’ny fitondrana izany tao anatin’izay naha teo amin’ny toerana azy izay.

Mbola manamafy izay ny fikasana hanatanteraka hetsika eny Antsahamanitra ho an’ny eo anivon’ny seha-pampianarana ao anatin’ny eto Antananarivo. Iarahan’ny rehetra mahalala tsara, fa manana olana goavana ity sehatra ity amin’izao fotoana izao. Tsy hita mazava anefa izay vahaolana atolotry ny fitondrana entina amin’izany, kanefa tena ilain’ny ray aman-dreny sy ny mpianatra ary ny mpampianatra izany. Avela ho lasibatra hatrany ve ny zaza Malagasy sy indrindra ny zana-bahoaka?

Vahaolana maika no andrasana kanefa tsy hita izany. Antony, variana amin’ny kajikajy politika ny fitondrana. Karazany tampi-maso sy fandrirarirana ihany no mety atolotry ny fitondrana amin’izao fotoana fa tsy ny tena fototry ny olana no ifotorana handaniana ron-doha vahana. Tsy voakasik’izany mantsy angamba ny zanak’izy ireo satria mianatra any amin’ny sekoly tsy miankina lafo saram-pianarana na any ivelany. Efa traikefa hita anefa hatramin’izay, fa izay fitondrana variana amin’ny fanaovana kajikajy politika eo amin’ny fitantanam-pirenena dia tsy hahita fahombiazana misongadina. Ny ampitso mbola hanamarina izany.