CUA sy Ambasadin’i Inde – Ho velomina ny lalana Mahatma sy Indira Ghandi eny Mahamasina sy Tsaralalana

Isambilo

Nitsidika tamin’ny fomba fifanajana ny ben’ny tanànan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, Lalao Ravalomanana, tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely omaly maraina, ny Ambasadaoro vaovaon’i Inde monina sy miasa eto amintsika, Abhay Kumar. Anisan’ny voaresaky ny roa tonta tamin’izany ny hamelomana lalana roa eto an-drenivohitra mitondra anarana olo-malaza any Inde, sy eto amin’izao tontolo izao. Ho velomina indray ny takelaby famantarana ny lalana Mahatma Ghandi eny Mahamasina, sy ny lalana Indira Ghandi eny Tsaralalana.

Ho velomina toy izany koa ireo mari-pamantarana amin’ny arabe na marquage au sol amin’ireo lalana roa ireo. Tafiditra amin’ny fahatsiarovana ny faha-150 taona nahaterahan’i Mahatma Ghandi izao hetsika izao, ho tokonana tsy ho ela ireo lalana ireo. Voaresaka nandritra ny fihaonana teo amin’ny ben’ny tanàna sy ny Masoivohon’i Inde vaovao ity koa, ny hanaovana tanàna mpirahavavy an’Antananarivo amin’ny tanàna iray any Inde.

Boriboritany faha-4 (CUA) – Nanao asa fanadiovana ho fiomanana amin’ny fitokanana ny lalana Mahatma Ghandi eny Mahamasina

Ho fiomanana amin’ny fitokanana ny lalana “MAHATMA GANDHI”, eny Mahamasina dia niroso tamin’ny fanadiovana ny ekipa teknikan’ny boriboritany faha efatra, Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) androany maraina. Izany dia notronin’ireo departemanta maro isankarazany teo anivon’ny CUA, toy ny: DUD, ny polisy monisipaly, ary ny ekipan’ny mpamonjy voina.

Araka ny fangatahan’ny firenena indianina, tao aorian’ny fihaonana teo amin’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana sy ny Ambasadaoro vaovaon’i Inde eto amintsika, Abhay Kumar dia haverina indray ny takelaby famantarana ny lalana izay efa nisy teo taloha. Araka izany, dia nanadio nanomboka teo amin’ny “ Ecole Normale”, ka hatreny amin’ny EKAR Saint Joseph Mahamasina izy ireo.

Ny natao tamin’izany dia ny fanalana ireo fasika manamorona ny arabe “déssablages”, fanapahana ireo hazo sy ahitra “ désherbage ”ary fanalana ireo fotaka sy fako manentsina ny tatatra “curage”. Teo ihany koa ny fanamboarana sy famerenana amin’ny laoniny ny zaridaina izay manome endrika eny an-toerana.

Ny fanadiovana dia efa asa efa fanaon’ny CUA andavanandro, ny mampiavaka azy tamin’ity indray mitoraka ity dia fanamafisana ny asa sy ny fampaharetana azy.

Araka ny fantatra dia amin’ny alatsinainy hoavy izao no hisy ny fitokanana izany lalana izany, izay zava-dehibe tokoa raha ao amin’ny boriboritany faha efatra. Ho tokanana ny alatsinainy izao io koa ny lalana Indira Ghandi etsy Tsaralalana.

Eto dia mitaona sahady ny mponina ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny boriboritany faha efatra, RAZAFINDRAKOTO Andry, lefitra faharoan’ny delegen’ny boriboritany faha efatra, mba handala ny fahadiovana ary miantso ny fahatsapan-tenan’ny tsirairay mba hikolokolo ireo fotodrafitr’asa efa vita.