Fitaomana fako Antananarivo – Hahazo kamiao 10 ny SAMVA

Helisoa

Manoloana ny fakobe mivangongo eto Antananarivo Renivohitra dia nanambara ny minisitry ny rano fa ho tonga amin’ny volana septambra 2019 izao, ireo kamiao miisa 10, hanampy izay efa ananan’ny SAMVA, hitaomana ny fako eto an-drenivohitra, hisorohana ny valan’aretina toy ny pesta, eo koa ny fahadiovana mandritra ny fitsidihan’i Papa François eto Madagasikara. Nivoitra izany nandritra ny fidinan’ny Minisitry ny angôvo sy ny rano ary ny akoranafo Vonjy Andriamanga teny amin’ny SAMVA Nanisana ny talata lasa teo.

Mazava amin’ny vahoaka amin’izay izany manomboka izao fa anjaran’ny SAMVA no mitatitra ny fako mankeny ANDRALANITRA; efa nanao ny ezaka rehetra ny kaominina Antananarivo Renivohitra tarihan’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana tamin’ny alalan’ ireo mpamafa lalana sy ny RF2 manadio tanàna ary mitatitra ny fako eny amin’ny daban-jaoridira. Tato ho ato anefa, tsy afaky ny SAMVA ny fako; dia lasa nivangogo be amin’ny faritra be mponina.

Antenaina izany fa hivaha manomboka izao ny fanesorana ny fako eto an-drenivohitra. Koa entanina ihany koa isika mponina mba hanaja ny fahadiovana satria rehefa tsy mandoto dia efa naman’ny manadio. Eo ihany koa ny tokony hanajàna ny fotoana fanariampako manomboka amin’ny 5 ora hariva ka hatramin’ny 8 ora alina.