Ho azo atao fitaratra ve ny seranantsambon’i Toamasina?

Ampamoaka hafa kely izy ity. Tsy mahagaga aloha ny tranga toy izao satria seranantsambo voalohany eto Madagasikara ifandraharahàna entana maro amina kaontenera, eny fa na dia fiara “blindé” miaramila aza tafiditra antsokosoko.

Vola be no mihodina ao noho ny haba sy ny kolikoly. Efa re izao fa misy laharana maitso (360) azo ampiasaina nanomboka Talata teo andraisana fitarainana sy fitoriana avy amin’ny mpanjifa, na fanaraha-maso sy tolo-tanana amin’ny famahàna olana mikasika ny fandraharahàna entana. Saingy inoana fa tatitra tahaka ireto manaraka ireto dia sarotra ampitaina dia tsy hisy tohiny raha io laharana maitso io no ampiasaina.

Voalaza fa:
– misy directeurs valo amin’ny 16 voatendry ao amin’ny SPAT no sady misotro ronono no mandray karama tahaka ny namany, ary sady koa misitraka ny tombontsoa rehetra toy ny trano, jiro, fiara, lasantsy, sns;
– misy directeurs roa misahana ny mpiasa, izany hoe asa iray, ary ny iray amin’izay ireo dia efa mananika ny 75 taona;
– misy mpiandraikitra sendika tondroin’ny tale lehibe, ary andraisan-karama, izay andalovan’ny mpiasa rehefa misy fitakiana;
– misy Cellule Anti-Corruption nitsangana efa herintaona izay, izay mbola tsy nandrenesam-peo;
– misy mpiasa antselika avaozina isaky ny dimy volana, ary efa ho folo taona mahery;
– misy vady aman-janaky ny DG izay samy mahazo fiara miaraka @ saofera sy lasantsy tsisy fetrany;
– misy zanaky ny DG nianatra tany an-dafy tsy nahita asa dia lasa “prestataire de service” @ SPAT ihany ary tonga dia mahazo ny “contrat”.

Mbola misy maromaro ihany moa ireo antsipiriany momba ny tatitra fa tsara kokoa raha ny tale lehiben’ny seranantsambon’i Toamasina no milaza mangarahara raha mitombina izany na tsia. Ary raha toa ka diso izany dia ohatra ho an’ny rehetra, na ny mpanao gaboraraka na ny mpamoaka vaovao diso.

Ady ho an’ny fahamarinana izao ka aleo samy hihezaka daholo hamoaka ny tsy mety sy ny gaboraraka, ho tombontsoan’ny be sy ny maro. Tsara mitandrina ihany ireo tsy maty manota fa ny teny hono toy ny atody ka raha foy manana elatra.

Lanzelo

Rohy FB