Depiote TIM – Tolo-dalàna hifehy ny mpanohitra – Mifanohitra amin’ny lalampanorenana And.14 –5

Helisoa

Ao anatin’ny adihevitra mikasika ny satan’ny mpanohitra eto Madagasikara ankehitriny ny antenimiera roa tonta: ny Antenimierandoholona sy ny Antenimierampirenena.

Raha ny eny Tsimbazaza manokana dia mafana ny ady hevitra ary tsy manaiky lembenana ireo depiote mpanohitra eto amin’ny firenena, ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) sy ireo depiote tsy miankina sasany. Manoloana izany, nisy ny fihaonan’ny depiote avy amin’ny antoko Tiako i Madagasikara tamin’ny mpampahalala vaovao teny Tsimbazaza omaly alarobia, nanazavan’izy ireo ny zavamisy ao an-toerana mikasika ny fandinihana ity lalàna 2011 -013 izay mbola tsy nampiharina akory ity. Nanambara ireto farany fa tsy handray anjara amin’ny fivoriana azon’ny be sy ny maro hatrehina amin’ny fandinihana ny lalàna mifehy ny antoko politika, araka ny tolodalàna nataon’ny solombavambahoaka IRD, Brunel Razafitsiandraofa, ny depiote Tiako i Madagasikara, satria mifanohitra amin’ny lalampanorenana art.14-5 izany. Ny fampiharana ny lalàna 2011-13 izao no takiana fa tsy ny fanafoanana izany, ka soloina amin’izay tian’ny fitondràna atao.

Marihina fa izao fanapahankevitra izao dia niarahana nanapaka tamin’ny birao politikan’ny antoko Tiako i Madagasikara hoy ny fanambaràna.