EDITO 13 Jolay – Ho fivoriam-boalavo ny eny Tsimbazaza eny

Rajaonarimpanontsana

Hivory voalohany ara-potoana ireo solombavambahoaka voafidy farany teo, eny Tsimbazaza, amin’ny herinandro ho avy izao. Inona no hitranga?

Fanontaniana apetraky ny mpanara-baovao maro izany satria efa maro ireo depiote IRD sy ireo tsy miankina namadika palitao sahady no manao fanambarana amin’ny haino aman-jery isan-karazany fa atao izay hidirana ao anatin’ny Birao maharitra. Antony, dia hofehezin’ny mpomba ny fitondrana ny fitantanana io andrim-panjakana io. Manana fahefana ambony noho ny solombavambahoaka tsotra mantsy ny mpikambana ao amin’ny Birao Maharitra ary izay no hifandrombahan’izy ireo. Na ny tombontsoa azo aza tsy itovizana, toraka izany koa ny karama be sy ny voninahitra ary ireo mpiara-miasa tsirairay samy hahazo ny anjarany avokoa.

Izay eo ihany, fa tsy azo hadinoana ny paipaika politika maro isan-karazany satria tsy maintsy manaraka ny baiko politikan’ny filoha Rajoelina ireo solombavambahoakany sy ireo saribakoliny. Hisy amin’ireo Depiote no hotendrena Minisitra mba hampiakarana ny lisitra faharoany, tsy lanim-bahoaka, ho Solombavam-bahoaka. Atao maro an’isa hanangatanana fotsiny izy ireo fa tsy ny hevitra hoentina hampandrosoana izay nambara nandritra ny fampielezan-kevitra no tanterahana.

Izay no entina manamafy fa fivoriam-boalavo ny eny Tsimabazaza eny. Tsy sanatria mampitovy ny depiote amin’ny biby fa kisary kosa entina hanehoana ny zavatra mety hitranga eny Tsimbazaza eny izany, samy hikepoka izay azony ireo olom-boafidy ireo. Mbola tafiditra ao anatin’ny kajikajy ihany koa ny hanolorana ny anaran’ny Praiminisitra. Hanangan-tanana tsy amin’ny sitrapony avokoa ny ankamaroany ary tsy maintsy hihafara amin’ny korontana ara-politika izany trangan-javatra izany.