Marc Ravalomanana – Angatahana hilatsaka ho Ben’ny Tanànan’Antananarivo

Amin’izao Kongresy kararakarain’ny antoko Tiako i Madagasikara etsy Magro Tanjambato izao, izay atrehan’ny vahiny maro ivelan’ny antoko koa dia mitondra ny hafatra ny depiote Hanitra Razafimanantsoa mba hilatsaka amin’ny fifidianana Ben’ny Tanàna ny filoha Marc Ravalomanana.