Liva avy amin’ny KMFB – Ny mpitondra ihany no matahotra fifidianana

Isambilo

Mitondra ny heviny momba ny raharaham-pirenena indray i Liva avy amin’ny KMFB (Komity Miaro ny Fiainam-Bahoaka).
Mandalo fotoan-tsarotra indray ny firenena Malagasy ankehitriny, noho ny fahotana mahafaty  nataon’ny mpitondra fanjakana ankehitriny, dia ny HVM sy ny forongony izany, izay tsy nanao afa-tsy ny fangoronan-karena sy ny fivarotana tanindrazana, izay nanampy trotraka ny fahantran’ny firenena sy ny vahoaka Malagasy, izay efa nisy teo aloha.
Manampy trotraka izany ihany koa ny fitsabahan’ireo sehatra vahiny iraisam-pirenena, izay tsy mamela antsika olom-pirenena malagasy tompon-tanindrazana mihitsy hitady vahaolana malalaka ho an’ny firenentsika. Eo foana ireo, mibaiko, mandidy sy manapaka eo amin’ny toe-draharaha ara-pôlitika misy eto amintsika, noho ny fiarovan’izy ireo ny tombontsoany manokana.
Hatreto aloha dia tsy mbola nisy mihitsy mpitondra fanjakana malagasy  sahy sy nijoro nanohitra izany fitsabahan’ny vahiny amin’ny raharaham-pirenena malagasy izany.
Nanana foana isika teto fotoana nahafahana nitadiavam-bahaolana, toy ny tamin’ny taona 2009 ohatra, kanefa dia noteren’ny fiombonambe iraisam-irenena isika nanao fifidianana voasivana ka nametrahan’izy ireo ilay hoe ; NI…NI.
Tsy misy miafina amintsika vahoaka malagasy tokoa raha ny zava-misy eto amin’ny firenentsika ankehitriny, izay vanim-potoana goavana heverina fa tokony handinihana ifotony sy hitadiavana vahaolana ho an’ny firenena, kanefa dia ireo indray ry zareo avy any ivelany fa mandidy sy manery ny hanaovana fifidianana amin’ity taona 2018 ity, izay tsy hitondra vahaolana sy filaminana eto amin’ny firenena na oviana na oviana.
Na eo aza anefa izany baiko izany, dia tsapa sy fantatra fa ny mpitondra fanjakana HVM ihany no matahotra hiroso amin’izany fifidianana izany, ka minia manakorontana sy mampisavorovoro ny fiainana ara-pôlitika eto. Niniana napetraka mihitsy ireo minisitra efa fantatra fa tsy nahavita sy tsy tian’ny olona mba hitohizan’izany savorovoro izany hatrany.
Efa miseho lany etsy sy eroa ihany koa ireo mpanao pôlitika mitambatra izay manohitra fifidianana sy mitaky ny hananganana TETEZAMITA, izay tsy iza tsy akory fa mpanao pôlitika tohanan’ny mpitondra sy ny HVM ihany.
Izany rehetra izany no ahasahiana milaza fa io mpitondra HVM ankehitriny io mihitsy no tsy sahy hiatrika izany fifidianana izany fa mba manao don-tandroka fotsiny ihany. Taitra ny olona tsy mba taitra, taitra irery vao mamaky takotra hoy ny fitenenana. Dimy taona teo foana, tsy hita izay natao. Tamana tamin’ny fangoronan-karena, ka izao vao hoe : be hono ny zava-bita.