16:00 > Nanatrika ny fandraisana ny kardinaly Desiré Tsarahazana teny Ivandry ny filoha Marc Ravalomanana sy ny ben’ny tanana Lalao Ravalomanana ny maraina teo

Helisoa

Feno dia feno ny fandaharam-potoanan’ny Kardinaly Desiré Tsarahazana raha vao nigadona teto an-tanindrazana izy , ankoatra ny fandraisana azy teny amin’ny seranampiaramanidin’Ivato dia nisongadina tamin’ny andro omaly ny nandraisana ny Kardinaly teny amin’ny Nonce Apostolika Ivandry , marihana fa anisan’ny nanatrika izany fotoana miavaka izany  ny Filoha Marc Ravalomanana mivady ary niarahaba sy nihoby ihany koa ny Kardinaly Desiré Tsarahazana izy ireo, ny tolakandro kosa dia ny Sorona Masina lehibe tetsy amin’ny EKAR Masindahy Francois Xavier Antanimena no nifantohan’ny mason’ny rehetra indrindra ny mpino Katolika . Sorona Masina voalohany notarihany amin’ny maha Kardinaly azy sady nandraisan’ny Arsidiosezin’Antananarivo ihany koa ny Kardinaly Desiré Tsarahazana . Ankoatra izay dia ny Arsidiosezin’i Toamasina kosa no handray ny Kardinaly amin’ny alahady ho avy izao, izay homarihana amin’ny alalan’ny Sorona Masina lehibe manomboka amin’ny 9 ora maraina , ny Sabotsy mialohan’io kosa dia hisy ny alim-bavaka . Tsara ny manamarika fa mbola ny Kardinaly Desiré Tsarahazana ihany  hatramin’izao no Filohan’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara sady Evekan’ny Arsidiosezin’i Toamasina , any rahateo no hisy ny toeram-piasany.