NY HERY VIZANA SY NY ANDRY BOBOKA

Hita taratra eny foana ny mpanongam-panjakana,
Fa minia mandika hatrany irony didy sy lalàna.
Tsisy lamina ny fiainany fa manao izay tiany hatao,
Azo ambara tsotr’izao fa tena “tsisy kalitao”.

Hita taratra eny foana ny mpanongam-panjakana.
Tsy mba mahamenatra azy ny mangala-piaingàna.
Ny rehetra mbola mihaino hoe inona no toromarika?
Saingy ry zalahy kosa, efa eny an-kianja, mifangarika!

Teo aloha dia iray vilany sady tena niombom-patana,
Kanjo izao toa samy manana ilay hoe vinam-pisandratana.
Andaniny ilay hery vizana , ankilany ilay andry boboka,
Samy tsy mifampitsitsy ka dia asa izay hidoboka.

… Fa hita taratra eny foana ny mpanongam-panjakana .
Ny talenta izay iombonany? ny efa tsara no simbàna.
Efa hery mitsilopy sy andry boboka tanteraka.
Iza no hifidy ireo afa-tsy ny olona miveraka?

DADAN`i ZINA (07-07-18)