EDITO 16 Desambra – Fitaterana – Mampimenomenona ny mpandeha ny tapa-dalan’ny mpitatitra

Beharo

Mampimenomenona ny mpandeha ny tapa-dalana ataon’ny mpitatitra amin’izao fotoana. Tato ho ato dia marobe ireo fitarainana voaray vokatry ny tsy rariny ataon’ny mpamily sy reseveran’ireny fiara fitateram-bahoaka ireny, tsy voahaja intsony ny lalàna mifehy, toy ny hoe: raha miala eo terminus dia tsy maintsy tonga any amin’ny farany, fa dia lasa tapa-dàlana an-katerena fotsiny ihany matetika.

Nisy ohatra tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity, ny tsy rariny nataon’ny bus 182, tsy tonga tany amin’ny farany fa dia nihodina tampoka teo Ambanidia, nilaza fa eto ny farany, ny andro efa harivariva avy orana, lasa lena daholo indray ireo mpianatra sy ny kitapony, ny fifamaliana no azo natao, ny saran-dalana tsy naverina, lasa nandositra ilay fiara ka hoy ny rehetra hoe raha sendra ireny dia tsara raha vakiana ny fitaratra na ny kodiaran’ilay fiara, nefa efa sarotra ihany izany, fa raha misy polisy eo dia ny milaza aminy hatrany no mety.

Mateti-pitranga ihany koa amin’iny fitaterana mankany Ivato iny, ny mihodina eny Talatamaty sy Imerinafovoany, raha tokony mbola ho any Ivato, ka nahatonga ny mpanjifa hilaza fa tsy rariny mihitsy nefa ny saran-dàlana dia feno tanteraka, ka tokony ho dinihan’ireo koperativa mifamezivezy amin’izany hono, sao tratry ny doro fiara eo hoy ny zokiolona sendra ny mpanao gazety ka ho sahirana. Ny olona efa tsy ampy vola atao saran-dàlana hafa intsony, ka mampalahelo.

Ny fitaterana mianavaratra ihany koa “Bus H ” izany, vao niainga teny am-potony dia nilaza fa Sab-Nam ity, nefa raha tonga teo Ambohitrarahaba dia nilaza fa eto ny farany, ny andro efa manondro amin’ny 7ora hariva latsaka kely, nitabataba ny mpandeha nefa nivoaka nihinana nem teny ivelany koa ry zareo, ka hoy ny mpandeha iray hilaza hoe miakara ndao isika handeha fa izaho no mamily azy, ka tonga soamantsara teo Sab-Nam, manoloana ny paositry ny polisy mihitsy ry zareo, faly ny rehetra ka ho hita izay sazy miandry ireto mpamily nihinan’ny NEM-ny ireto hoy ny rehetra.

Ny tapa-dàlana efa mampatahotra, fa ity mpamily manome fitondrana fiara ny reseverany ity no mbola vao mainka mampihorin-koditra, toy ny bus183, miala Masinandriana hatreo Ambatobe dia ny resevera no mitondra satria tsy misy polisy ireny lalana ireny, ka mampitaintaina, tokony mba ho jerena akaiky hoy ny rehetra. Ny farany moa dia tapa-dalana hafakely, toy ny loza nahazo ny bus 109 tetsy Amalamahitsy ny alarobia maraina teo, fa dia nandona mpitondra moto sy nahatapaka poteau Jirama mihitsy dia hita fa tsy mitsapa hisatra na frein akory vao miasa, fa dia faly hanangona mpandeha sy hifaninana amin’ny hafa fotsiny ihany, soa fa tsy nisy aina nahafoy. Vokatry ny gaboraraka nanomboka tamin’ny 2009 nataon-dry Rajoelina sy ny forongony avokoa izany rehetra izany.