MATAHOTRA MAFY RY MAMIMBAHOAKA

Matahotra mafy ry Mamimbahoaka
Ka efa manomboka ho tena mivoraka.
Ny tena ahiany, tsy basy mipoaka
Fa ny siotsioka sy ireo horakoraka.

Hanao fianianana, handray fahefana
Kanefa ny tahotra no tonga aloha!
Sa dia tsapa fa nisy ny andinin-dalàna
Manintsana tsy hofidiana ho filoha?

Ny eritreritra ve no efa tena misidina?
(Eny amin’ny avo vao tra-pahoriana!)
Ka nony mba miondrika mijery midina,
Dia indro fefiky ny fanahiana?

Matahotra mafy ry Mamimbahoaka
Fa hay tsy nandeha tamin’ny lala-mahitsy,
Ka tonga sahady amin’ny ampamoaka,
Satria ireo nifidy azy vitsy dia vitsy?

…Izay hoe fianianana ho vita ihany.
Izay hoe siotsioka dia azo fefena,
Fa ny olon-tsy marina, tsarovy hatrany:
Tsy mendrika hitantana ny firenena!

DADAN’i ZINA (13-12-23)