ARFM – Endri-panjanahana vaovao no tiana hapetraka eto ka tsy ekena

Niaina

Manatanteraka fihaonambe mandritra ny 2 andro eny Mandriambero distrikan’Ambohidratrimo ny ARFM: Antenimieran’ny Raiamandreny ara-drazana sy Foko eto Madagasikara. Omaly no nanombohan’izany ary hifarana anio, sy hamoahan’izy ireo ny fehin-kevitra mahakasika ny raharaham-pirenena, indrindra ny ho fanaovan’ny filoha fianianana nefa efa tsy Malagasy intsony fa Vazaha taratasy.

Araka ny fanehoan-kevitr’ireo avy amin’ny ARFM: olona tsy manana zom-pirenena Malagasy, nanitsakitsaka sy manitsakitsaka ny lalam-panorenena no hanao fianianana amin’ny sabotsy izao, hoy ireo Raiamandreny ara-dRazana, ka tsy ekena mihitsy.

Endri-panjanahana vaovao, no tiana hapetraka eto amin’ny firenena, amin’izao filoha tsy Malagasy hitantana mandritra ny 5 taona izao hoy hatrany izy ireo. Tsy hisy firenena hanaiky hoentin’olona tsy mizaka zom-pireneny izany eto ambonin’ny tany ary tsy ho eto Madagasikara no anaovana izany.

Madagasikara manana ny fiandrianany ary tsy maintsy arovana hatramin’ny farany, hoy hatrany ny fanehoan-kevitra. Mpanao politika maro ihany koa no niatrika izao fotoam-panokafana teny Mandriambero izao.