Tsy an-drenivohitra, tsy ambanivolo – Miaina anaty horohoro ny Malagasy

Andry Tsiavalona

Ny tahotra no lehibe indrindra ho an’ireo filoham-panjakana mpisolo toerana, ka hanetsika « mpitandro ny filaminana » enina arivo amin’ny sabotsy 16 desambra 2023, andro hanaovan’i Andry Rajoelina fianianana. Hitombo roa arivo izany raha ampitahaina amin’ny mpiambina ny Kianjan’ny 13 Mey nandritra ny Hetsika Fotsy, nialohan’ny fifidianana, izay naharesy lahatra olompirenena maro nandà ny naneken’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ny naha kandidà an’i Andry Nirina Rajoelina izay vazaha frantsay.

Raha ny zava-misy anefa dia tsy misy mieritreritra ny hanakorontana ny lanonana fianiana izany, fa omaly 13 desambra sy androany 14 desambra no niantsoan’ny raiamandreny ara-drazana izay Malagasy te-hampandroso marina ity Firenena hikaon-doha hanoritra ny làlan-kizorana ho amin’izany. Raha nokasaina natao teny amin’ny Live Hotel 67 Ha izany kanefa nafindran’ny prefektioran’ny tanànan’Antananarivo ho eny amin’ny Foiben’ny Fikambanan’ny Mpiara-mamaky Baiboly, Mandriambero. Ny tsy mbola mazava aloha raha miaradia amin’ireo raiamandreny ara-drazana avy amin’ny Faritany enina nanao fanambarana, fa tsy manaiky an’i Andry Nirina Rajoelina ho filhoan’ny Repoblika amin’ny maha vazaha frantsay azy ireto manao fikaonan-doha ireto.

Iaraha mahatadidy ny nanakanan’ ny Pefektiora ny Vondron’ny kandidà nikasa nanao fivoriana tao amin’ny Espace iray teny Andoharanofotsy kanefa tsy teto an-drenivohitra izany. Etsy an-kilany dia miaina ao anatin’ny horohoro ny Malagasy, tsy an-tanàn-dehibe ihany fa hatrany ambanivohitra rehetra any noho ny tsy fandriampahalemana. Ny tena mampihorin-koditra dia ny fakana an-keriny sy fanapahan-doha ataon’ny dahalo izay tsy hitan’ny mpiaro ny vahoaka sy ny fananany izay atao. Fantatra fa na misy aza zandarimaria any ambanivohitra any dia tsy ampy olona sy fitaovana ka na misy aza ny vaovao milaza fa lavon’ny mpitandro ny filaminana ny jiolahy dia toy ny rano indray mitete ao an-dranomasina ireny. Ny mahavariana anefa dia enina arivo no hetsehina amin’ny asabotsy eto an-drenivohitra hiarovana olona iray kanefa tsy raharahian’ny fitondrana ireo vahoaka tsy matory an-trano intsony any amin’ny zato kilometatra mahery kely avy eto noho ny fanafihana tsy misy fihafarany ataon’ny dahalo.

Kianja sy olona iray no arovana miaramila amina arivony miaraka amin’ny fitaovam-piadiana mahery vaika sy fiara mifono vy. Midika izany fa manompo vazaha mpanjanaka ny foloalindahy eto Madagasikara ary tsy miraharaha izay manjoa ny Malagasy ary tsy vitan’izany fa toy ireo senegaly tamin’ny taona 1947 nitifitra ireo tia tanindrazana niady ho amin’ny fahaleovantena. Tsy manaiky izany ny olompirenena Malagasy kanefa miandry amim-pahendrena sy amim-pahamalinana ny fotoana mety hanilihana ny mpanjanaka ka nanangana “cellule de crise”. Heverina fa kendan’ny vomanga nasesiky ny tànany izao fitondrana izao satria raha mijery ireo vahoaka milahatra eny amin’ny Arena, foibe TGV, mitaky ny vola nampanantenaina azy talohan’ny fifidianana dia mety izy ireo no hitroatra noho ny fahadisoam-panantenana miteraka fahatezerana amin’ny fampivezivezena azy isan’andro kanefa dia mody maina.

Raha mihevitra izao fitondrana izao fa tena eo am-pelatanany tokoa ny hery sy ny fahefana dia nandefa ny mpiaro azy nandrava ireo olona mitomandavana eny amin’ny Arena ireo izy. Tsy maintsy ao an-tsain’izao fitondrana izao mandrakariva anefa fa ny vahoaka no mampindrana ny fahefana ary izy ihany no manaisotra izany raha heveriny fa manohintohina ny fiandrianam-pirenena sy ny hasin’ny Tanindrazana ny nampindraminy izany fahefana izany.