NY HEVITRY NY HOE FANAKORONTANANA

Efa tena niova dika ny hoe « fanakorontanana »
Ho an’ireo bebasy donto tsy dia ampy fiofanana,
Fa izay mihetsika rehetra na ny lalitra na pirina
Dia tadiaviny hogadraina na kendreny hotifirina!

Tsisy intsony ny lalàna fa izay tiany no ampiharina,
Ary dia miharihary fa voatototra ny marina.
Ireo izay manana ny heriny sy fitaovam-piadiany
No hany tokana mibahana ary dia manao izay tiany!

Efa tena niova dika ny foe « fanakorontanana »
Ho an’ireo antokon’olona « mpanao V amin’ny tanana ».
Izay manohitra ny ataony ka miteny manakiana,
Dia tadiaviny hampiasana herisetra sy habibiana!

…Ka ny hoe « mpanakorontana » dia efa tena abaribariny
F’ireo rehetra izay manohitra ny ataon-dry baomba sy ny tariny.
N’iza n’iza te hihetsika dia enjehiny daholo,
Fa izay ilay fanjakan’ny olona mpanao bontolo!

IRINA HO TAFITA (12-12-23)