LANONAM-POZA ?

Hisy indray ny ra hiraraka
Raha vao foza no tafaraka?
Izay ilay sorona ilaina,
Mila fandatsahana aina?

Dia miomàna rey vahoaka
Ny amin’ny zavatra hipoaka,
N’aiza toerana iarahana
Ka ny foza no mibahana!

Efa hita ireo fanaony,
Hainareo ny kilalaony.
Tsy lalao mba mampazoto
Fa mazàna ny maloto!

…Raha tsy te hahita angano,
Aleo mijanona ao an-trano.
Raha tsy te hahita loza,
Ialao raha vao lanonam-poza!

TSIMIMALO (13-12-23)