MBA JIROM-BAZAHA FA TSY JIRON’AKOHO E !

Jiron’akoho indray no hamalifaliana
Ireo sarangan’olona izay novidiana?
Fa angaha dia tsy misy ry filoha vazaha
Ilay mba « jirom-bazaha » ho anay mponina an-tsaha?

Ny anarany ihany dia efa azo adika
Fa jiron’akoho ka tsy mendrika antsika!
Mba « jiro vazaha » toa anao no zarao
Dia ho faly ny « pokona » hanohana anao!

Ny jiron’akoho, vonjy poritra ihany.
Tsy dia mba mamiratra raha ny hazavany,
Ka aleo hiakatrakatra ny kalitao
Ary « jiro vazaha » re no andeha mba zarao!

…Ny mpitondra lazaina ho « mahavita azy »
Dia izay manafoana ny delestazy,
Mitondra hazavana tsy laitra resena,
Ka tena hampandroso an’ity firenena!

TSIMIMALO (09-12-23)