Depiote Fetra Boriboritany faha-5 – Ny 19 desambra ho avy izao no hivoaka ny didim-pitsarana

Niaina

Niakatra teny amin’ny Fitsarana Anosy ny talata teo ny raharaha depiote Fetra Ralambozafimbololona, depiote avy amin’ny Boriboritany faha-5, filohan’ny vondrona parlemantera Tiako i Madagasikara (TIM). Nandritra ny hetsika fotsy nataon’ireo vondron’ny kandidà 11 teny Mahamasina no nisamboran’ny herim-pamoretana azy tamin-kery, notazonina andro maromaro teny amin’ny zandary Fiadanana izy avy eo, ary afaka nody niandry ny fotoam-pitsarana. Ny 19 desambra ho avy izao vao hivoaka ny didim-pitsarana nanenjehana ity solombavambahoaka TIM ity. Namafisin’i Me Hubert Raharison, mpisolovava ity depiote ity, fa tsy azo atao ny manenjika sy misambotra ireo parlemantera raha tsy mahazo alalana amin’ny birao maharitra. Nitarika olona hidina an-dalam-be nandritra ireny hetsiky ny vondron’ny kandidà ireny no antony niampangana azy, fiampagana izay tsy mitombina fa fampihorohoroana sy antsojay no tena antony.