Fandraharahana – Mampiaka-peo ny sehatra tsy miankina amin’ny olan’ny jiro

Isambilo

Manoloana ny olan’ny angôvo eto amintsika dia ny resaka jiro sy rano, nampiaka-peo izao ny sehatra tsy miankina eto amintsika mivondrona amin’ny fikambanana miisa 30 eo. Tokony hatomboka amin’izay ny tetikasa Sahofika sy Volobe, hahazoana rianaratra avy amin’ny riandrano, hoy ireto mpandraharaha maro avy amin’ny sehatra tsy miankina ireto.

Fotoanan’ny fanatanterahana asa izao, fa tsy fotoanan’ny resabe intsony hoy ny fanambarana. Ireo tetikasa famokarana angôvo 2 ireo no heverin’izy ireo, fa vahaolana maharitra amin’ny olan’ny jiro eto amintsika, eny fa na ny rano koa aza. Ny angôvo azo havaozina avy amin’ny rano, hoy ihany ny fanambarana dia azo tanterahana tsara ary ny angôvo azo avy amin’izany dia mety hiantoka ny 90% ny filana jiro ho an’ny orinasa eto amin’ny firenena. Hampihena koa ny fandanian’ny Jirama sy ny fanjakana, amin’ny mbola fampiasany solika amokarana angôvon’aratra. Tsara kalitao ny angôvo azo amin’ireo tetikasa 2 ireo ary ho ampy.

Ahiahian’ireo mpandraharaha amin’ny sehatra tsy miankina ireo koa, ny mbola tsy fandehanan’ny tetikasa Prirtem 1 sy 2 : Projets de Renforcement et d’Interconnexion des Réseaux de Transport d’Energie Electrique à Madagascar, izay miankina amin’ny fahatontosan’ny tetikasa Sahofika sy Volobe. Ireo tetikasa 4 ireo no hamaha tanteraka ny olan’ny angôvo eto Madagasikara hoy ireto vondron’ny mpandraharaha tsy miankina avy amin’ny fikambanana sy ny vondrona fikambanana miisa 30 mahery ireto. Tsiahivina fa Sahofika dia hamokatra angôvon’aratra 192 MW ary Volobe 120 MW.