Fitondran-dRajoelina sy ny forongony – Mandeha ila toy ny kiraron’i Beminahy

Sôh’son

Miharihary ankehitriny ny zava-misy eto amin’ny firenena, fa mandeha ila. Misy ampahany vahoaka, izay vitsy an’isa, manohana izao fitondrana izao, miohatra amin’ny maro an’isa manohitra azy. Niaraha-nahita tsara izany tamin’ny fiatrehana iny fifidianana amboletra iny, sy ny fitsara-mitanila nampanaovina tian-kano tsy tian-kano ny vahoaka malagasy. Dia nisy nihorakoraka nifaly ireo olom-bitsy teny amin’ny Araben’ny Fahaleovantena ny andro sy fotoana namoahan’ny HCC mitanila, namoaka ny voka-pifidianana.

Hay azo idirana ihany izany kianjan’ny 13 mey izany rehefa ho an’ny mpomba an-dRajoelina sy ny forongony, satria tsy nisy lakrimôzena nidoboka, hetsika politika anefa izany, fa tsy nisy nanakana. Tetsy ankilan’izany, nisy maro an’isa nangina, sorena sy tezitra sy tsy faly mihitsy, satria tsy araka ny notakiana, dia ny fifidianana madio sy eken’ny rehetra no nisy, fa ny mifanohitra amin’izany: sarintsarim-pifidianana, sy sarintsarina voka-pifidianana no nivoaka sy navoakan’ny HCC. Niaraha-nahita ny tsy fitovian’ny herijika teo amin’ny kandidà, ary nisy aza ny mbola naratra notsaboina tany ivelany, nefa nisy ny nangalatra fiaingàna hatrany am-boalohany tamin’ny fampielezan-kevitra, sns…

Ankehitriny, navoakan’ny HCC ny didy, fa Rajoelina no lany. Natao maimaika novonjivonjena toy ny tsinain-kena ny famoahana ny vokatra, ary ho toy izany koa, araka ny re, ny hanatanterahana ny lanonana fametrahana azy amin’ny toeran’ny filohan’ny Repoblika, izay voalaza fa hatao ny 16 desambra ho avy izao. Maro no tsy miraika, ao ny tsy faly, ao ny manohitra satria tsy nifidy azy no sady tsy manaiky marindrano frantsay hitondra ny firenena malagasy, tsy eken’ny sainy velively izany.

Raha tombanana amin’isambato azon-dRajoelina ka hametrahana amboletra azy fotsiny izao, dia zara raha ampahafolon’ny vahoaka malagasy, ary iray ampahadimin’ny tokony hifidy. Eken’ny HCC, sy ireo lazaina ho mpitsara ambony manam-pahalalana amin’ny fahaizana lalàna eto Madagasikara anefa izany. Hita miharihary araka izany anefa, fa tsy mifandanja ny mpanohana nifidy azy sy ireo mpanohitra azy eo amin’izao toerany izao, ary ireto farany iaraha-mahalala, fa maro an’isa. Izay indrindra no ilazana hoe, handeha ila toy ny kiraron’i Beminahy ny fitondrany. Tsy hahasoa ny firenena velively anefa izany, ary tsy hampandroso azy ihany koa. Misy aza ny milaza fa vao hijoro dia hidaraboka izao fitondrana izao, tsy hahavita izany taom-piasana 5 taona izany indray, satria ho avy ny tolona tena tolom-bahoaka mitsipaka ny tsy fahamarinana rehetra, sy ny fiverenan’ny fanjanahana indray eto amintsika, noho ny haha-filoha an-dRajoelina izay Frantsay, efa nanary ny maha-Malagasy azy.