Departemantam-panjakana Amerikana – Ento amin’ireo rafi-pitsarana mahefa ireo fitarainana momba ny fifidianana

Nangonin’Isambilo

Manoloana ny sarintsarina voka-pifidianana tamin’ny fifidianana filohampirenena teto Madagasikara ny herinandro teo iny, nanao fanambarana ny faran’ny herinandro teo Andriamatoa Matthew Miller, mpitondra tenin’ny Departemantam-panjakana amerikana:

“i Etazonia dia mankasitraka ny vahoaka Malagasy nampiasa ny zo maha-olom-pirenena azy sy ny zony ara-politika nandritra ny fifidianana filoham-pirenena natao ny 16 novambra lasa teo. Voarainay ny fanambarana amin’ny fomba ofisialy ny voka-pifidianana nataon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana (HCC), manamafy ny fahalanian’ny Filoha Andry Rajoelina indray. I Etazonia dia manamafy ny fahavononany hiara-hiasa amin’ny Filoha voafidy Andry Rajoelina, ny governemanta, ary ny vahoaka Malagasy ho fampandrosoana ny firenena sy ho fampanajana ny zo fototra ho an’ny tsirairay.

Mankasitraka ihany koa ny governemanta sy ny vahoaka Malagasy niantoka androm-pifidianana nilamina sy tony tamina faritra maro. Na izany aza anefa, niteraka ahiahy izay tokony harenina ny zotram-pifidianana ho fiantohana ny filaminana sy ny ho avin’ny firenena. Maro ireo mpiantsehatra, na olom-pirenena na mpanaramaso ny fifidianana avy eto an-toerana sy iraisam-pirenena, izay nahatsikaritra tsy fahatomombanana samihafa nandritra ny zotram-pifidianana. Ankoatr’izay, maro amin’ireo sosokevitra fanatsarana ny zotram-pifidianana naroso taorian’ireo fifidianana natao ny 2018 sy 2019, no tsy mbola tanteraka.

Miantso ny vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana CENI izahay hamaha ireo olana ireo, ary miantso ny governemanta Malagasy hanadihady amin’ny antsipiriany ireo tsy fahatomombanana sy ireo voalaza fa hosoka, ka hiroso amin’ireo fanavaozan-drafitra samihafa navoitran’ireo mpanaramaso ny fifidianana malagasy sy iraisam-pirenena, ary hijery akaiky ireo filàna sy fanirian’ny olom-pirenena ao Madagasikara.

Mangataka an’i Madagasikara i Etazonia, mba haneho fahavononana hatrany hanaja ny zotra demokratika, ny lalàm-panorenana sy ny tany tan-dalàna. Mendrika sy miandrandra fifidianana malalaka sy madio, tanterahina ao anaty filaminana, ary fanjakana tsara tantana, ny vahoaka Malagasy. Miantso ihany koa ny governemanta Malagasy hampitombo ny fahatokisan’ny vahoaka ireo rafi-panjakana ao aminy, sy hiantoka ny fahamarinan’ireo fifidianana ho avy.

I Etazonia dia manameloka ny herisetra amin’ny endriny rehetra ary miantso ny vahoaka Malagasy, hitondra ireo fitarainana mahakasika ny fifidianana manoloana ireo rafi-pitsarana mahefa ao Madagasikara.”

Raha ity fanambarana nataon’ny ao amin’ny ministeran’ny raharaham-bahiny Amerikana ity, tsy mahefa ve izany ny fitsarana nitsara ny fifidianana filohampirenena teo dia ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana (HCC)? Heverina fa hitory amin’izany fitsarana tena mahefa izany ny vondron’ny kandidà 11, sy ny olom-pirenena rehetra nahita tsy fahatomombanana sy hosoka ary tsy fetezana maro tamin’iny fifidianana tamin’ny 16 novambra lasa teo iny. Tantara mbola mitohy.