Fiainam-pirenena – Hanohy ny fampihavanana ny FFKM

Isambilo

Nanatanteraka komity Foibe-45 ny herinandro teo, tao amin’ny EEM Katedraly Santa Marka Fosarato Fianarantsoa, ny FFKM: Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara. Loha-hevitr’izany komity Foibe-45 ny tenin’ny Soratra Masina ao amin’ny Matio 5 : 9 :’’sambatra izay mampihavana fa izy no hantsoin’Andriamanitra hoe zanany.’’ Arak’izany, hanohy ny fanelanelanana sy ny fampihavanana eto amin’ny firenena ny FFKM. Hiantso izy ireo ny zanany rehetra izay manam-pahaizana momba ny lalàna handinika ny tsy fitovian-kevitra, hamaritra paikady mazava ho fanabeazana ny olom-pirenena izay ampianarina eo anivon’ny FFKM ny Andrimaso, amporisihana ny fiangonana rehetra hanao 5minitra ho fanabeazana ny olom-pirenena. Tokony hampiharina ihany koa ny sehatry ny fahamarinana eo amin’ny politika hoy ity fiombonambe ara-pinoana ity. Miantso ny rehetra hijoro hiady amin’ny fahalovana eo anivon’ny ankohonana, sy ny fiarahamonina ary ny firenena. Ny Komity Foibe-46 dia hatao any Morondava amin’ny 20-24 novambra 2024. Nanasonia ny fanambaran’ny FFKM tany Fianarantsoa izao ireo filohampiangonana ao amin’ny FFKM: ny avy amin’ny FJKM: ny mpitandrina Dr Irako Andriamahazosoa Ammi, ny avy amin’ny EKAR: Mgr Raoelison Jean de Dieu, ny avy amin’ny FLM: Pastora Dr Rakotozafy Denis, ny avy amin’ny EEM: Mgr Ranarivelo Samoela Jaona.